Webradio

KARAMA FARANY AMBANY 200 000 ARIARY : Handraisana fepetra ireo orinasa tsy manaraka izany

Tsy mijanona ho fifanarahana fotsiny fa tsy maintsy hisy ny fanaraha-maso sy fampiharana ilay karama farany ambany notapahana ho 200 000 ariary eny anivon’ireo orinasa tsy miankina raha ny nambaran’ny minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna Sosialy, Gisèle Ranampy, raha nitatitra ny zava-bitan’ny minisitera iandraiketany sy ny asa mbola miandry izany minisitera izany izy sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly. 15 mai 2019

 “Ny minisitera, ny vondromben’ny mpampiasa ary ny vondron’ny mpiasa ao anatin’ny sendika no miara-manapaka izany ary ezahina ny fametrahana asa mendrika ho an’ny rehetra, araka ny vinan’ny Filoha,” hoy ny minisitra, omaly. Raha tsiahivina dia nifanandrify indrindra tamin’ny voalohan’ny volana mey, izay andro iraisam-pirenena momba ny asa no nanambaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tamin’ny fomba ôfisialy fa hampiakarina ho 200 000ariary, araka izay efa nampanantenainy nandritra ny fampielezan-kevitra sy tamin’ny fandaharana “ho eny Iavoloha” tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana Tvm sy Rnm  ny karama farany ambany na Smig eto Madagasikara.

Efa navoakan’ny minisitera ny didy fampiharana izany ary efa miroso amin’ny fanatanterahana ny fampiharana izany ny eny anivon’ireo orinasa tsy miankina rehetra manerana ny Nosy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy raha ny nambaran-dramatoa minisitra, io omaly io. Amin’izao fotoana izao dia eo an-dalam-panaraha-maso ny fampiharana io ny minisitera ary tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina ho an’ireo minia tsy manaraka izany. Ankoatra ny fampiharana io karama farany ambany io dia isan’ny notanterin’ny minisitra omaly ihany koa fa tsy ho ela dia ho tonga eny anivon’ny minisitera rehetra ilay “Logiciel AUGURE” hahafahana mamantatra ny tena isan’ny mpiasam-panjakana marina na ireo mpiasam-panjakana raikitra izany na ireo mandritra ny fotoana fohy. Izany no natao moa dia mba hahafahana manadio ny asam-panjakana, araka ny velirano efa nataon’ny Filoha.

Mbola notsiahivin’ny minisitra nandritra io omaly io koa fa maro ireo mpiasa “matoatoa” nandany ny volam-panjakana teo aloha nefa tsy miasa akory ka mila fanadiovana goavana hitsitsiana ny volam-panjakana sy tsy handanindaniam-poana izany amin’ny tsy tokony handaniana azy. Hohamafisina toy izany ihany koa ny fanaraha-maso ny fandraisana mpiasam-panjakana toy ny eny amin’ny Infa sy Enam.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés