Webradio

TSY FANDRIAMPAHALEMANA AO TOAMASINA : Nivory maika ny "Organe Mixte de Conception"

Ao anatin’ny tebiteby lava ny mponina ao Toamasina manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana.  16 mai 2019

Ny talata 14 mey, nivory maika ny Omc (Organe mixte de conception). Fivoriana toy ny mahazatra izay notarihin’ny prefen’i Toamasina sady lehiben’ny Omc, Cyrille Benandrasana. Araka ny antso an-taroby nifanaovana tamin’ny prefen’i Toamasina, ny harivan’ny talata 14 mey io, dia nasiaka ny tenany nandritra ny fivoriana ary misy fepetra hentitra noraisina.

Fepetra izay nambarany fa afaka mitondra filaminana ao Toamasina.  Raha ny zava-misy, dia efa saika ny fokontany rehetra ao an-toerana no isehoana trangana tsy fandriampahalemana. Anisany tena mavaivay kosa ny ao Vohitsara, Dépôt 4e. Efatr’andro mialohan’ny nahitana ny fatin’ireo olona telo mianaka tao amin’ny fokontany Dépôt 4e, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo, dia efa nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tsy lavitra ilay trano nahitana ny razana. Fanafihana mitam-piadiana naharatrana olona roa. Zandary ilay anisany naratra mafy voan’ny vely hazo sy famaky.

Mahakasika iny vono olona tao amin’ny fokontany Dépot 4e iny, hatramin’izao dia olona efatra no nosamborina anaovana fanadihadiana. Izy efa-dahy izay voalaza fa mpiasa niasa nanamboatra ilay trano fonenan’izy 3 mianaka. Mitohy kosa ny fikarohana ilay mpiambina ny trano izay tsy mbola hita popoka hatramin’izao. Ny talata 14 mey tamin’ny 6 ora hariva no vita ny fandevenana azy telo mianaka tao amin’ny fasam-bazaha. Natambatra fasana iray izy mivady raha natokana fasana kosa ilay zaza natsangan’izy ireo.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés