Webradio

AMBOHIBARY SAMBAINA : Jiolahy iray tra-tehaky ny fokonolona, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nisahotaka vao maraina ny mponina tao an-tampon-tanànan’Ambohibary Sambaina,   noho ny fahatratrarana lehilahy  iray  manodidina ny  20 taona  izay voalaza fa  nandroba  fivarotana lehibe tao an-toerana, omaly  talata maraina.  16 mai 2019

Saika hanatanteraka fitsaram-bahoaka   ity   farany ireo mponina  raha toa ka saron’ny  fokonolona teo am-pisotroana labiera   tao amin’ny fivarotana iray no sady nila ady  tamin’ny tompon’ny tsena ihany koa raha ny tatitra  voaray. Nolazain’ity tovolahy  fa ananany  trosa mitentina iray tapitrisa ariary ilay fivarotana nisotroany zava-pisotro mahamamo tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifamaliana nony  avy eo ary vory lanona ny  mponina  nijery ny zava-niseho.  Tamin’izay fotoana izay no nisy fokonolona nahatsikaritra fa io lehilahy io no  tompon’antoka tamin’ny fandrobana  fivarotana lehibe iray teo an-tanàna.  

Avy hatrany dia nidaroka   sy   saika hamono ho faty azy avokoa ny vatan-dehilahy rehetra ary tsy afa-nitsoaka intsony ity farany rehefa voahodidina olona marobe.  Nalaky tonga namaha ny olana haingana ireo   Polisy miisa   telo lahy, nampitony ny mponina sy  nisambotra ity  voalaza  ho nahavanon-doza. Rehefa natao moa ny  fisavana  dia nahitana karatra maha mpikambana  “kung-fu” tany aminy ary  isan’ny mponina efa ela teo an-tanàna ihany koa.  Raha ny fitarainana  nataon’ireo mponina   dia nanamafy  fa jiolahy raindahiny ny lehilahy  ka nangataka ny mpitandro filaminana mba   tsy hamotsotra azy intsony. Mitohy hatrany  kosa  ny famotorana lalina   ny tranga  ary  efa niverina amin’ny  laoniny ny filaminana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés