Webradio

TSINGIN’I BEMARAHA : Mpizahatany voatafika, vazaha vavy iray voatifitra, lasan’ny jiolahy ny vola 600 euros

Miverina lasibatry ny asan-jiolahy  indray  ny  distrikan’i Belo Amoron’i Tsiribihina  ka ireo mpizahatany tonga mitsidika ny valan-javaboary Tsingin’i Bemaraha no tena mahita faisana amin’izany, raha ny tatitra voaray.  20 mai 2019

 Mitombo isan’andro aman’alina   ireo  mpizaha tany niharan’ny fanendahana  eny ambony lakana sy voasakan-dalana  hany  ka efa  hita taratra fa  nanomboka nihemotra  niala ny tanàna izy ireo ary miha vitsy ny mpitsidika  tonga noho ny tahotra.  Ny 16 mey lasa teo, mpivady teratany vahiny frantsay indray no voatafika tamin’io fotoana io. Avy nandeha nitsidika izy ireo  ary efa tany  anaty fiara saingy tifitra vary raraka no nasetrin’ny mpandroba azy ireo. Vokany, vaky ny fitaratry ny fiara ka naratra  mafy  voatifitra  teo amin’ny tanany ilay vazaha vavy. Voatery tsy maintsy nijanona izy ireo na niezaka  nitsoaka ihany aza ny mpamily. 

Manodidina ny dimy lahy ireo nanatanteraka ny asa ratsy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Avy hatrany dia   nalain’ireo mpandroba daholo ny entana sarobidin’ireto mpivady ireto niaraka tamin’ny vola mitentina 600 euros. Tafatsoaka moa ireto  farany taorian’izay, ilay vazaha kosa nampidirina teny amin’ny CsbII manakaiky ny tanàna. Anisany mbola azo lazaina ho faritra mena tanteraka ankehitriny ity toerana mahafinaritra ity  ary  mbola tsy voavaha ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana.  Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana araka izany ny vahoaka satria  manapotika ny lazan’ny firenena Malagasy ny trangan-javatra tahaka izao rehefa tsy voafehy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés