Webradio

HALATRA MOTO TENY SOAVIMASOANDRO : Tamin’ny alalan’ny « Gps » no nahatrarana ireo jiolahy

Mirongatra izay tsy izy  ny  halatra “môtô” eto an-drenivohitra. Mitombo isa hatrany ireo  olona lasibatra mpampiasa ity fitaovam-pitaterana ity. 22 mai 2019

Raha ny angom-baovao voaray  teo aloha teo dia efa nisy  tambajotra mpangalatra môtô tratra ka nadoboka am-ponja. Misy kosa ireo mbola  manohy ny asa ratsiny. Eo anatrehan’izay tranga izay indrindra dia  mailo  amin’ny  asan-jiolahy ny mponina manodidina an’Antananarivo  ka  misy  ireo mametraka “gps” amin’ny  môtô  fampiasany, izay fitaovana   raitra manaraka ny toetrandro, ahafahana  manara-maso  izany.  Toy ny zava-niseho, omaly  maraina, tokony ho tamin’ny valo ora  tany ho any dia  tra-tehaka tamin’ny tsy nampoiziny  ireo jiolahy  raha toa ka  saika hangalatra “scooter Jog“, izay  nasian’ny  tompony  “gps”.  

Avy hatrany  dia narahina ny lalan’ity môtô ity  ka fotoana  fohy ihany dia  hita  izany. Tamin’ny fanadihadiana sy fizahana natao dia tsikaritra   fa efa nisy niala sy nisolo ny kojakoja isan-karazany tamin’ilay môtô. Manaporofo  tokoa izany fa efa arifomba sy kinga ireo mpangalatra môtô eto an-drenivohitra. Tsy mitazam-potsiny  ny eo anivon’ny mpitandro filaminana fa manohy  ny fikarohana ireo jiolahy. Efa misy ireo voasambotra saingy mbola eo am-panohizana ny  fanadihadiana ny tompon’andraikitra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés