Webradio

TOVOVAVY IRAY MATY NISY NAMONO TANY TOLIARA : Nitsoaka ny fonja ilay tovolahy nitifitra azy

Nitsoaka ny fonjan’i Vohitany, kaominin’i Ejeda Toliara i Alain Zaheraly Rostand, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe karana sy Eric Mario na Rambô, voaheloka higadra mandrapahafatiny tamin’ny fitifirana nahafaty an’i tompokovavy Tinah, mpianatra tao Toliara, ny taona 2017.  22 mai 2019

Tafavoaka ny fonja tamin’ny zoma alina lasa teo izy roa lahy ary mbola tsy hita hatramin’izao. Ny tompon’andraikitry ny fonja tetsy andanin’izay tsy nitondra fanazavana hafa ny amin’ny fomba nahatafatsoaka azy ireo. Ny hany nolazainy dia hoe  : “mandeha ny fanadihadiana ka misy ny didy fikarohana na “avis de recherche” hatao”. Arahina akaiky ny  tohin’ny  raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés