Webradio

DAHALO 40 LAHY NANAFIKA TAO TOLIARA II : Tafatsoaka ny ben’ny tanàna, naratra mafy ny vadiny

Ny alin’ny alahady  tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any, dahalo manodidina ny 40 lahy no tonga nanafika  tao amin’ny Kaominina Andranovory Toliara II. 5 juin 2019

Vokany, ny  trano nisy ny Ben’ny  tanàna tao an-toerana no  voalaza fa novakin’ireo olon-dratsy  tamin’io fotoana io. Tafatsoaka ary avotra soa aman-tsara  ny ain’ilay  Ben’ny tanàna raha ny loharanom-baovao voaray saingy ny vadiny no tratran’ireo olon-dratsy  tao an-trano, izay  voadaroka mafy ary voa teo amin’ny lohany. 

Raha ny tatitra hatrany, dia nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo, ary novakian’ny tamin’ny fitaovana manokana ny varavarana ka tafiditra tao an-trano. Manao antso avo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny izy ireo mba hijery akaiky ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana fa dia tsy matory andro aman’alina ny mponina  raha ny  tatitra   sy fitarainana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés