Webradio

MADAGASIKARA SY FRANTSA : Hisy ny fifanakalozana eo amin’ny seha-pihariana momba ny boky

Feno tanteraka ny fahombiazana, izay no azo amehezana ny dian’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo delegasionina notarihiny tany Parisy Frantsa tao anatin’ny enina andro mahery. 6 juin 2019

Ankoatr’ireo fifanaraham-piaraha-miasa maro eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny firenena dia anisan’ny nahazo tombony ihany koa ny sehatry ny fanabeazana eo  amin’ny tontolon’ny boky. Isan’ireo nandrafitra ny delegasionina notarihin’ny Filoha ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tany Parisy Frantsa dia nihaona manokana tamin’ny tale jeneralin’ny tranom-bokim-pirenena Frantsay ny tenany. Tamin’izany no nifampizaràna ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanana sy ny fitahirizana boky. Nohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny tranom- bokim-pirenena Frantsay sy Malagasy. 

Tafiditra ao anatin’ izany ny fitahirizana ny boky, indrindra ny famadihana azy ireo ho lasa nomerika izay manaraka ny vanin’andro ankehitriny. Ankoatr’ireo dia anisany nodinihina nandritra ity fihaonana teo amin’ny roa tonta ity ihany koa ny fahazoana boky vaovao ho eo anivon’ny tranom-bokim-pirenena, izay mifanaraka amin’ny filàn’ny Malagasy ary ihany koa ny fahazoana ivon-toerana famakiana boky miparitaka manerana ny Nosy. Marihina fa ny volana mey lasa teo iny dia anisany nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny vaky boky i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Hetsika maro no natao tamin’izany toy ny ady hevitra arahina famelabelaran-kevitra, fampirantiana ary tsena be ho an’ny boky. Fanamby goavana apetraky ny minisitera ny hamerenana indray ny fitiavan’ny olona mamaky boky.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés