Webradio

MAHAJANGA : Renim-pianakaviana iray novonoin’ny vadiny, hita faty tao an-tranony

Vehivavy manodidina ny 29 taona, manambady  sy manan-janaka vavy  iray  13 taona, nipetraka tao amin’ny fokontany Aranta ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga  no nahazoana loharanom-baovao, omaly fa  hita faty tao an-tranony. 7 juin 2019

Vatana mangatsiaka efa tsy  nisy  aina intsony no sady feno ratra efa maina no hita rehefa nopoirina ny  efitrano fatoriany, izay  nihidy tamin’ny gadana. Araka ny fanazavana voaray tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo dia efa ho  efatr’andro teo ho eo no tsy dia hita nivoaboaka ny trano intsony io  vehivavy io. Tsikaritry ny manodidina ihany koa anefa fa misy disadisa lava  izy sy ny vadiny ary saika ho isan’andro mihitsy izany  ka nanomboka teo no nanana ahiahy ny mpiara-monina rehefa tsy nahita azy intsony. 

Ilay rangahy vadiny ihany koa tsy hita intsony. Ny talata alina  4 jona no nisy nahatsikaritra nipetraka toy ny nanjoretra teo an-tokotany ity raim-pianakaviana, tokony  ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Efa nampanahy ny rehetra ny fomba fihetsiny kinanjo tsy hita intsony  ny tenany taorian’izay.  Tsy maintsy noterena ny zanany vavy  mba hanapoirana ny trano, hizahana ny  zava-misy marina. Akory  ny hatairan’ny rehetra raha nahita ity  renim-pianakaviana nitsirara tamin’ny tany, naratra sy efa maty. Avy  hatrany dia  ilay  rangahy vadiny  no  niantefan’ny sain’ny maro ho namono azy. Efa eo am-pelantanan’ny Polisy moa ny fisahanana ny fanadihadiana lalina momba ity  tranga ity amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés