Webradio

ISIKA FIKAMBANANA MIARAKA AMIN’I ANDRY RAJOELINA : Vonona hanohana ireo kandida Ben’ny tanàna ny IFI

Fahombiazana tanteraka no azon’ireo fikambanana niara-dalana tamin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina satria dia nody ventiny ny rano nantsakaina. 12 juin 2019

Isan’ny fikambanana tsy niala, nanohana hatrany ary mbola nanamafy ny fijoroany hanolo-tanana ny Filoham-pirenena ny IFi na isika Fikambanana miaraka amin’i Andry Rajoelina. I Richard Ramanambintana no filoha nasionalin’ity fikambanana ity ary isan’ny tanjona iray ijoroan’ny fikambanana ny fanomezan-tanana ny Filoha amin’ny fanatanterahana ny vina Iem sy amin’ny asa fampandrosoana efa nikelezany aina. Niforona talohakelin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny IFi, tany am-piandohana dia tsy nisy afa-tsy fikambanana 14 no nandrafitra azy fa ankehitriny kosa dia efa tafakatra 200 mahery izany ary efa mielim-patrana sy manana rantsana manerana an’i Madagasikara.

Hanohana ireo kandidà Ben’ny tanàna

“Nody ventiny ny rano nantsakaina” raha ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny IFi, Richard Ramanambintana sy ireo birao mandrafitra azy tetsy amin’ny Arena Ivandry, omaly, satria na mbola vokatra vonjimaika fotsiny aza no navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifadianana (Ceni) dia hita fa nandresy avokoa ireo kandidàn’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina notohanan’ity fikambanana ity. Noho io fandresana miezinezina azon’ny IFi io dia mbola nanamafy izy ireo omaly fa handray anjara mavitrika hampandany ny kandida ho Ben’ny tanàna idray ny IFi.

“Betsaka ireo kandidà tato anatin’ny vovonana IFi no nilatsaka ary betsaka ny kandida nanaiky tsy hifaninana amin’ny IRD, ny zavatra efa napetrakay hatramin’ny voalohany dia ny hoe na iza na iza na atokon’iza, na tsangan’olona iza, ka mandeha amin’ny herin’ny tenany manokana dia tsy mahazo mitondra ny anaran’ny IFi satria ny IFi dia tsy nanohana afa-tsy izay kandidà nahazo tso-drano avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina irery ihany”, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny fikambanana nanazava.

 Hankalaza ny taona nijoroany

Amin’izao fotoana izao dia efa mamomankomana ny fankalazana ny taona iray nijoroany sahady ny IFi. Raha ny fanazavan’ny filoha nasionaly hatrany dia hatomboka amin’ny 22 jona ho avy izao ny fankalazana, ka eny Vontovoroana Atsimondrano no hanangonana ny mpikambana IFi rehetra manerana an’i Madagasikara. Hifanotrona mandritra io andro io avokoa ny mpikambana IFi rehetra ary hifampirary soa noho ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa ary ny fifampitokisan’ny samy mpikambana hatramin’izay ka nahazoan’izy ireo ny fandresena.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés