Webradio

HALATRA LAVANILA TAO FARAFANGANA : Miisa 4 ireo nidoboka am-ponja, mpitandro filaminana ny iray

Taorian’ny fanadihadiana lalina nokarakarain’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fahatratrarana lavanila mbola tsy matoy, milanja 400 kg tao Farafangana ny faran’ny herinandro lasa teo dia fantatra izao  fa miisa efatra ireo olona naiditra am-ponja vonjimaika.  12 juin 2019

Tratra tao anatin’izany ireo tompon’entana, ireo  mpividy ary koa ilay mpitandro filaminana niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Raha ny  fanampim-panazavana voaray  avy amin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Jean Rainizanadahy tao an-toerana dia manamafy  ny fiambenana ireo vokatra lavanila izy ireo ankehitriny satria tsara marihana fa ny 22 jona ho avy izao no hisokatra  amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. 

Raha tsiahivina ny tamin’ny taon-dasa dia efa betsaka ireo olona  voasambotra sy naiditra am-ponja noho ny halatra sy tsy  fanarahan-dalàna mifehy ny famoaham-bokatra. Raha ny tatitra voaray hatrany  dia  efa nodorana ampahibemaso  ireo  lavanila manta sarona, milanja  400 kg izay saika haondrana ireo. Efa vonona  hanamafy ny fitandroana filaminana avokoa  ny zandary ao an-toerana  mandritra  ny fiomanana amin’ny fisokafana amin’ny fomba ofisialy ny  taom-piotazana lavanila.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés