Webradio

HETSIKA FAMPANDRIANA FAHALEMANA : Miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika

Hentitra ny fitondram-panjakana  amin’ny fiadiana ny kolikoly na  koa ny baranahany izay  nampivarina an-kady ny Firenena hatramin’izay.  12 juin 2019

Misongadina tokoa tato ho ato ny ady amin’ny kiantranoantrano, izay fomba ratsy nentina nanaronana ny hadisoan’ny hafa mandika ny lalàna mifehy. Manamarika izany ny fanadiovana eo anivon’ny mpitandro filaminana mandritra ny fanatanterahana ny hetsika  fampandriana fahalemana manerana ny Nosy. Mahazo ny sazy tandrify azy avokoa ireo  izay tratra manao ny tsy mety.  

Miaramila miisa 34 amin’izao  fotoana izao no tafiditra am-ponja vonjimaika raha toa ka voalaza fa tsy nanaja ny fepetra napetraky ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy. Henjana  ny fanaraha-maso akaiky eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena amin’ireo miaramila ao anatin’ ny Tafika Malagasy satria natao ho modely sy hitondra filaminana no antom-pisian’izy ireo  raha ny fanazavana voaray hatrany. 

Araka ny fanampim-panazavana voaray mahakasika ireo tafiditra am-ponja ireo dia  miaramila miisa telo avy  any amin’ny Distrikan’Isandra no sarona vokatry ny fanolanan-jaza, telo hafa tao Beravina Maintirano izay voarohirohy tamin’ny  fandrahonana sivily sy  fanapoahana basy tsy  nahazoana alalana no sady  mamo toaka, iray hafa tany Morondava ary koa  miaramila miisa 27 voarohirohy tamin’ny resaka vono olona telo lahy tao Ampitatafika Antanifotsy. 

Ireo ambiny kosa dia miaramila avy amin’ny Rfi eny Ivato avokoa, izay nahitana manam-boninahitra nanatanteraka fampandrian-tany tao Ambohimahasoa ary koa tompon’antoka tamin’ny fisamborana ireo olona telo hita faty tao anaty rano nolazaina fa dahalo. Nandritra ny fitohizan’ny famotorana momba ny raharaha no nahafantarana fa misy tamin’ireo miaramila no nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ireo telo lahy, nisy kosa ireo mpiray tsikombakomba. Manamafy hatrany ny  eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena fa tsy  hitsitsitsitsy  intsony  amin’ireo izay minia  mandika lalàna. Natao  hiaro  ny vahoaka sy ny  fananany ny mpitandro filaminana fa tsy   mpamboly korontana  velively akory.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés