Webradio

DISTRIKAN’IAKORA : Rongony 28 gony, basy miisa roa tra-tehaky ny zandary

Noho ny fiaraha-miasa amin’olon-tsotra sy  fisafoana ny tanàna, efa am-bolana  maro izay dia afa-po tanteraka amin’ny fivoarana ireo zandary  mpampandry  tany ao anatin’ny Distrikan’Iakora iny.  12 juin 2019

Mitohy ny fahazoana vokatra tsara ary azo lazaina fa lefy  ny asan-jiolahy mahery vaika nisesilany tao an-toerana. Rongony nahatratra 28 gony niampy basim-borona tsy ara-dalàna miisa roa no  saron’ny zandary tany an-toerana, omaly izay avy nalaina tany amin’ny Fokontanin’i Mahatsinjo Kaominina Mahabo  Distrikan’i Betroka. 

Raha ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Lietnà Tody Fenohary Alain dia saika haparitaka any amin’ny Kaominina Ankaramena ireo zava-mahadomelina  ireo  no tra-tehaka tampoka.  Fanamby apetraky ny  mpitandro filaminana any amin’iny Faritra iny  moa ny  hampiverina amin’ny  laoniny hatrany  ny  filaminam-bahoaka. Koa manao  antso avo  amin’ny  fokonolona izy ireo  mba hiara-hientana sy  hanome loharanom-baovao marim-pototra hatrany  ho  fanamoràna ny  fisamborana ireo jiolahy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés