Webradio

DAHALO TAO AMBOHIMAHASOA : Olona telo maty, sarona ny basy vita gasy fampiasan’ny jiolahy

Mahery vaika ny asan-dahalo  tany amin’ny Distrikan’Ambohimahasoa iny hatramin’ny faramparan’ny  herinandro lasa teo.  19 juin 2019

Tsy  milavo lefona amin’izany anefa ny  fokonolona sy ireo zandary mpampandry tany fa mitohy ny  fiambenana ny  tanàna  ary nahavelombolo ny mponina ny nahalavo  ireo olon-dratsy  izay tompon’antoka tamin’ny  fanafihana mahery vaika. Ny zoma alina hifoha sabotsy, andian-dahalo marobe nirongo  fitaovam-piadiana no  nigadona tao an-tanàna, tafavoakan ’izy ireo ny  omby,  ka tompon’omby iray  no maty  tamin’izany raha toa ka saika handeha hanohitra azy  ireo.

Tafatsoaka ireto farany  nony avy eo. Rehefa nahazo loharanom-baovao mahakasika ny zava-nitranga ny zandary  misahana ny fandriam-pahalemana  ao an- toerana  dia niroso tamin’ny  fanatanterahana ny  fanarahan-dia. Rehefa nifanojo ny lalan’ireto  mpanara-dia sy ny dahalo  ny sabotsy  lasa teo  dia maty voatifitra ny jiolahy  roa ka sarona tamin’izay ihany  koa ny basy  vita gasy  fampiasany. Manamafy hatrany moa ny eo anivon’ny zandary fa tanjon’izy ireo ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Miantso  fiaraha-miasa amin’ny fokonolona rahateo koa mba hanamorana amin’ny  famongorana ireo olon-dratsy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés