Webradio

SAMBAVA : Tovolahy roa voatondro no namono nahafaty vehivavy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy roa no hita faty nitsirara  teo amin’ny biraon’ny Kaominina “Tanambao-Daoud “ Sambava , omaly talata 18 jona. Voalaza fa  mpivahiny any an-toerana ireto lehilahy roa hita faty ireto.  19 juin 2019

Raha ny loharanom-baovao  voaray dia nisy vehivavy iray tsy hita popoka  tao amin’ny fokontany  Andramanolotra, tamin’ny herinandro lasa teo iny. Ny nahagaga sady nampalahelo anefa dia efa ny fatin’ ilay vehivavy sisa no hitan’ olona. Raha ny fahitan’ireo nanatri-maso ny vatana mangatsiakan’ ity vehivavy ity dia tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no nanamperana ny ainy araka ny loaharanom-baovao hatrany. 

Nandritra ny  fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia voalaza fa ireo tovolahy hita faty ireo no voatondro ho tompon’ antoka tamin’ny  famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ilay  vehivavy very avy eo dia hita faty.  

Araka ny fanampim-panazavana hatrany dia ny alatsinainy 17 jona no voasambotra  ireo tovolahy ireo ary notanana vonjimaika  tao amin’ny “Violon” Kaominina  Tanambao-Daoud. Noho ny hatezeran’ny fianakavian’ilay vehivavy anefa, hoy ireo nahita maso  dia tonga nangataka ny hanolorana ireto tovolahy roa voampanga ho namono ny havany ireto  ny fianakaviany. Tsy nety nanaiky ny hanolotra ireo voampanga ireo izany hatramin’ny farany  ny Ben’ny tanàna Totofeno Modeste Philbert fa nandrara azy ireo mafy. Ireto farany izay efa vonona hanatanteraka ny fitsaram-bahoaka. Rehefa tsy nety nanaiky moa ny Ben’ny tanàna dia niditra an-keriny ihany izy ireo. Ary voalaza fa naka sy namono nahafaty azy roalahy voarohirohy ireto io, omaly talata io. Noentin’izy ireo tany amin’ny toerana tsy fantatra izy roa lahy ary dia izao hita faty izao taorian’izay. 

Misokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha fahafatesana olona ireto  amin’izao  fotoana izao,  izay sahanin’ny  zandarimaria ao an-toerana ihany. 
Iaraha-mahalala anefa fa efa nanentanan’ny fitondrana sy ny mpitandro filaminanana ny Malagasy rehetra ny tsy tokony hanaovana fitsarambahoaka izany intsony fa tokony hanolorana izay olona nahavita heloka ny manampahefana.
Arahina akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés