Webradio

ANDAPA : Tra-tehaka ny rongony 60kg, nadoboka am-ponja ireo tompon’antoka

Manao tohivakana ny   fahatrarana  ireo tambajotra  mpivarotra sy mpifoka rongony tato ho ato.   19 juin 2019

Araka ny loharanom-baovao voaray avy  any Andapa dia tra-tehaky ny Zandary avy ao amin’ny  “Poste avancé” GN Ambodiangezoka Andapa ny jiolahy raindahiny atao hoe “Manantsoa” sy ny mpiray tsikombakomba taminy. Tamin’ny  fotoana nahatrarana azy ireo  dia nahitana rongony efatra gony milanja 60 kilao  tany amin’izy ireo, ny alin’ny 12 hifoha 13 jona 2019 lasa.

Tamin’ny  fanadihadiana  natao azy ireo no nahafantarana fa avy any amin’ny Distrikan’i Bealanana  ireo zava-mahadomelina no saika haparitaka tao Andapa. Avy hatrany  dia natolotra ny fampanoavana ny 17 jona ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny tompony sy ny mpamily fiara, raha nodorana kosa ireo zava-mahadomelina tratra. Manentana hatrany ny Zandarimaria mba hanome vaovao hamongorana ity loza mitatao amin’ny fiarahamonina ity.

Iaraha-mahalala mantsy fa   toerana maro samihafa manerana ny nosy   no efa nahatrarana rongony  naparitaka  hatramin’ny fiandohan’ny taona 2019 ity. Hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny  fiadiana izany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés