Webradio

FENOARIVO-ATSINANANA : Nasehon’ny komity 26 jona fa afaka mifety tsara ao anatin’ny fitsitsiana

Manaraka hatrany ny toromarika omen’ny fanjakana foibe ireo solontenam-panjakana ao Fenoarivo-Atsinanana.  27 juin 2019

Araka ny efa niaraha-nahita, dia nofoanana ny fiaraha-misakafo fanao isan-taona teny Ivoloha rehefa 26 jona. Nanaraka izany lamina izany ihany koa ny tao an-drenivohitry ny Faritra Analanjirofo ka tsy nasiana fiaraha-miala hetaheta taorian’ny matso.
Niezaka nampihatra tanteraka ny politikam-pitsitsiana. Na teo kosa anefa izany, dia tomombana antsakany sy andavany ny fikarakarana ireo hetsika rehetra.

Nifalihavanja ny mponina tao Fenoarivo-Atsinanana. Nisy ny fanentanana isan’andro teny amin’ny “podium” teo anoloan’ny biraon’ny prefektiora. Fanentanana narahina fifaninanana ara-panatanjahantena sy ara-koltoraly. Ny alin’ny 25 jona, nahazo ny anjara tamin’ny afomanga ny tao an-toerana.

Voaporofon’ny komity mpikarakara ny 26 jona tao Fenoarivo-Atsinanana fa afaka mahavita fety tsara sy milamina na dia mampihatra ny politikan’ny fitsitsiana aza. Komity 26 jona izay tarihin’ny Prefen’i Fenoarivo-Atsinanana, Belahy Théophile.
Maro ireo hetsika nisy. Anisany nahaliana olona maro ilay fifaninanana mianika hazo malama. Hazo nohosorana menaka, asiana vola eny amboniny, ka izay mahavita mianika dia azy izay vola azony eny ambony eny.


TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés