Webradio

HERISETRA : Teratany vahiny iray nampihinana maloto ny sakaizany, voasambotry ny Polisy

Mbola manjaka  ny famonoana   sy tsy fanajana ny zon’ny  vehivavy eto amintsika.  5 juillet 2019

Maro ireo lasibatra vokatry ny  vono, fampira fesana ary koa fanambaniana  amin’ny  lafiny rehetra. Ankoatra  ny teratany Malagasy,  dia  fantatra tamin’ny  loharanom-baovao hatrany fa  betsaka ihany  koa ireo vehivavy  manambady teratany vahiny no iharan’ny  herisetra izay  tena amin’ny  fomba mahatsiravina. Manaporofo  izany  ny  tranga niseho tamin’ireto mpisakaiza ireto.

Rangahy  iray  avy  ao amin’ny  Nosy rahavavy   La Réunion  no voasambotry ny Polisy, ny 03 jolay 2019 lasa teo noho ny resaka fampijaliana sy fanaovana toetra mamoafady tamina vehivavy teratany Malagasy sakaizany.  Taorian’io tranga io  dia nitory teny amin’ny Polisy  avy hatrany ilay vehivavy  niharan’izany  ary nilaza fa nampijalian’ny sakaizany. Ity sakaizany ity izay efa niaraka taminy an-taonany maro ary efa nanan-janaka izy ireo. 

Tsy vitan’ny vono no mahazo azy fa nasain’ity sakaizany nihinana ny malotony koa ilay vehivavy. Natahotra ny ho faty moa ity vehivavy ity satria nambanany ny antsy ka dia nanao ny nasainy natao tokoa ity farany. Efa maro ny tranga mamoafady azon’ity vehivavy ity saingy efa tafahoatra loatra ny zavatra mahazo azy ka tsy maintsy  niafara teny  amin’ny Polisy izy. Nosamborina avy hatrany ity teratany vahiny ity ary niaiky ny zavatra nataony  rehefa natao ny fanadihadiana lalina  momba ny raharaha. Mivezivezy eto Madagasikara sy nosy   “ La Réunion”  ilay rangahy ary manome vola ilay vehivavy ka nolazain’ity rangahy fa lanin’ilay vehivavy avokoa ny vola no saropiaro amin’ilay vehivavy izy ka dia izao nasainy nanao ny tsy fanao izao.

Tatianà R.


HERISETRA
2019-07-10 11:47:00 par Rasoloniaina

Tsy vanona io rangahy io. Asa izay mety ho nataon’ny polisy réunionnais raha izany no atao ny gasy azy. Tsy fanao olombelona izany. Koa izay fotokevitra izay no tokony hibahana ao an-tsain’ny mpanao famotorana ; fa tsy tokony ho afa-maina io kringy io.
Raha sanatria MALEMY indray ny Gasy eo, dia ho ataon-ny vahiny fanao izao fihetsika mamoafady izao. Ny fahantrantsika moa dia mampihen-danja ny maha-olona antsika mihitsy. Anjaran’ny mpitondra ny mieritreritra !

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés