Webradio

FANAMAFISANA NY LAFIN’NY FANANAN-TANY : Kaominina dimy nizarana “Titra” miisa 618

Ho fanamafisana ny lafin’ny fananan-tany dia “titra” mahakasika ny fananan-tany miisa  618 no indray nozaraina tao amin’ny kaominina Ambohimiadana tamin’ny alarobia 03 jolay 2019 lasa teo.  5 juillet 2019

Nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana mba hampisitrahana feno ny zon’ireo mpanajary amin’ny alalan’ny fanoratana amin’izy ireo ny tany izay nohajariany. Efa fanamby nataon’ny Filoham-pirenena rahateo ny famerenana amin’ny tompony ireo tany izay nohajarian’ny vahoaka. Ireo tanim-panjakana tsy voasoratra na amin’iza na amin’iza ary tsy voarakitra anaty kadasitra no voakasik’izany paikady izany, raha ny fanazavana hatrany.

Fangaraharana eo amin’ny fitantanana…

Kaominina dimy no voakasik’ity hetsika ity nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo ka hatramin’ny omaly ka isan’izany ny  kaominina Ambohimiadana, Fitsinjovana Bakaro, Anosibe Trimolaharano, Moraranosoa Firaisana, Tankafatra  izay samy ao amin’ny Distrika Andramasina avokoa. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana nandritra ny fizarana ireto “titra faobe” ireto ny Talen’ny Kabinetra avy ao amin’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy, ny talen’ny tohana ho an’ny fitantanana ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (Direction d’Appui à la Gestion Foncière Décentralisée) ary  ny tompon’andraikitra maro avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany.

«  Ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny raharaham-panjakana tsara tantana” no teny filamatra napetraky ny minisitra Hajo Andrianarinarivelo ao amin’ity minisitera ity ka isan’ny porofo iray nanehoany izany ny fizarana ireto “titra” ireto. Ankoatra izay, hametraka lamina sy drafitra vaovao ho an’ny fanamafisana ny eo amin’ny sehatry fiarovana ny fananan-tany, fanatsarana sy fanavaozana ireo tolotra rehetra ho an’ny mpanjifa, fanatanterahana ireo tetikasa goavana hametrahana fotodrafitrasa (tanàna vaovao, lalana vaovao, tetezana, seranam-piaramanidina, toeram-ponenana vaovao ihany koa ny minisitera.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés