Webradio

FANAFIHANA FIANGONANA SY VAKY TRANO : Tovolahy 1 tratra teny Andavamamba

Toerana isan’ireo malaza ratsy amin’ny fanendahana, vaky trano  ary koa halabotry sy herisetra raha ny eny amin’ny manodidina an’Andavamamba iny hatramin’izay.  8 juillet 2019

Manoloana izany indrindra dia manamafy ny fisafoana ny tanàna  ireo Polisy miasa eny an-toerana mba hiarovana ireo mponina.  Fantatra àry fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriboritany fahadimy ny tovolahy iray 19 taona mpamaky trano ny talata 02 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 08ora maraina teny amin’iny faritra Andavamamba iny. Olon-tsotra mipetraka eo akaikin’ ny fiangonana  no nahita tovolahy namaky fiangonana ny marainan’ ny alahady 01 jolay, tokony ho tamin’ny 02 ora maraina tany ho any. 

Ny andron’io ihany dia mbola nahazo fitarainana ny Polisy fa mbola nisy vaky trano teny amin’ny faritra Anosibe Andrefana ka lasa tamin’izany ny “Groupe Eléctrogène”, boky fampianarana, solosaina sy ny maro hafa. Natao ny fikarohana ireo olona mpamaky trano ka rehefa nanao ny fisafoana sy ny fanangonam-baovao dia tra-tehaka teny Andavamamba ny lehilahy iray izay anisan’ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano niseho ny sabotsy 1 jolay 2019. Mbola misy karohina moa ny namany niaraka taminy nanao ireo asa ratsy ireo, raha  ny fanampim-panazavana voarainay, omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés