Webradio

MISY MANAFINA NY SOLIKA AO MANDRITSARA : Tafiakatra 5000 ariary ny 1 litatra

Araka ny  loharanom-baovao voaray,  omaly 8 jolay   avy any Mandritsara dia  fantatra fa tsy misy  solika  ao an-toerana   ary saika  ilaharana avokoa  ireo  tobin-dasantsy  no sady vidiana  dimy arivo ariary  ny 1 litatra.  9 juillet 2019

Raha ny feo niely  nanerana ny tanàna  dia  voalaza fa tezitra  noho ny   fampidinana  ny  vidin-dasantsy  ireo mpivarotra, hany ka na misy aza ny solika dia isany fomba iray azon’izy ireo  hampiakarana ny vidiny ny fanafenana azy.  Mbola tsy  fantatra mazava anefa izay tena fahamarinany   saingy ny zavatra hita omaly dia mbola betsaka ireo olona mitandahatra eny amin’ny tobin-dasantsy hividy  solika.

Raha ny fitarainana voaray avy  amin’ny mpanjifa dia   nilaza ireto farany fa tsy  manan-tsafidy izy ireo  noho ny asa aman-draharaha  izay  tena tsy maintsy   ilàna solika. Ny hany fangatahan’izy ireo anefa dia ny mba hijeren’ny tomponandraikitra   akaiky  ity raharaha ity.  Mahatsiaro  fangirifiriana  loatra ny amin’ny filaharana sy  ny fividianana  izany amin’ny  sarany  lafo dia lafo ny vahoaka any an-toerana. Arahina akaiky ny tohin’ny  raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés