Webradio

BETROKA : Dahalo dimy lahy sarona, nahatrarana taratasy famotsiana omby halatra

Efa an-taonany maro no noezahina novakiana ny  toerana fieren’ny dahalo sy fanafenana omby halatra  any amin’iny distrikan’i Betroka iny, saingy miveri-maina avokoa ireo mpitandro filaminana, rehefa tratry ny fandrik’ireo olon-dratsy noho ny tsy fahafantarana lalana mankao an-toerana.  10 juillet 2019

Na izany  aza anefa dia tsy mampihemotra azy ireo ny fisamborana ireo dahalo.  Tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny Borigady  Andriandapy  tao Ilakaka ireo  dahalo ikoizana miisa dimy lahy  izay fantatra fa tompon’antoka  tamin’ny halatr’omby niseho   tamin’ny volana Jona  2019 lasa iny.   

Voaporofo tamin’ny   famotorana nataon’ny mpitandro filaminana fa  efa ela  nokarohina  ireo olon-dratsy  ireo saingy noho ny fiaraha-mientana tamin’ny vahoaka  dia  haingana ny fomba fiasa ary nalaky tratra   ireto farany. Fantatra moa fa  tratra teny amin’izy ireo ihany koa  ny taratasy famotsiana omby halatra tamin’io fotoana io.  Nandritra  ny fotoana  nanatanterahana  ny  fanadihadiana  rahateo koa no nahalalana fa  misy  olona ambony  sy tompon’andraikitra  mpanao famotsiana   omby  halatra  voasaringotra amin’izao  raharaha izao.

Tsara moa ny mampatsiahy fa tsy vao izao no  nahitana ity tranga famotsiana omby halatra ity any amin’ny Faritra atsimo iny koa manaitra ny  zandary  mpanao fisafoana  sy  ny fitondram-panjakana  hatrany ny  fokonolona mba hijery akaiky  ny tena zava-misy  marina.  Efa ela no lasibatra,  hany ka maniry ny  mba hisian’ny  fiverenan’ny  fandriampahalemana amin’ny  laoniny ireto farany. Efa natolotra ny Fampanoavana ao Betroka ireo dahalo, taorian’ny famotorana nataon’ireo Zandary, ary tazomina am-ponja vonjimaika. 

Marihana fa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana, indrindra fa ireo zandary any amin’iny Faritra Atsimon’ny nosy iny amin’ny famerenana tsikelikely ny fandriampahalemana amin’ny resaka asan-dahalo. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny hoe nisy tanànan-dahalo vitsivitsy amin’izao, any an-toerana vonon-kiara-hiasa amin’izy ireo. Efa namerina ny basy sy fitaovam-piadiana maro fampiasany amin’ny asa ratsy rahateo moa izy ireo. Mitohy hatrany araka izany  ny ezaka  amin’ny ady amin’ny asan-dahalo  ary mbola nametraka fahavononana ny amin’izany  koa  ny mpitandro filaminana raha ny fanampim-panazavana voaray  tato ho ato.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés