Webradio

HERISETRA TAO IKALAMAVONY : Nifanesy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy mianaka

Vory lanona ireo mponina tao Tanambao Avaratra tsy  lavitra ny  Epp tao an-toerana, izay lalana mihazo an’i Malainkoafara, Fokontany  Matsiatra Distrikan’ Ikalamavony, ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny tranganana vono olona mahatsiravina.  31 juillet 2019

Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra dia   raim-pianakaviana iray manodidina ny 42 taona, antsoina hoe Dariera no namoy ny ainy  tamin’ny fomba feno habibiana. Voalaza fa nisy namono ity rangahy ity raha toa ka saika handeha hody hamonjy ny trano fonenany.  Voaporofo  tamin’ny fisavan’ny  fianakaviana ny vatany  tokoa tamin’ io fotoana io,  fa  feno dian-java-maranitra ny lohany  ka avy hatrany dia nampandre ny mpitandro  filaminana izy ireo mba hanokatra ny  fanadihadihana. 

Tamin’ny fanazavana voaray no nahalalana fa  efa maty  nisy namono ihany koa  ny  zanakalahin’ity antsoina hoe Dariera ity,  ny  faha-10 jolay  2019 lasa teo. Andro  vitsivitsy  taty aoriana  nanaovan’ny zandary ny famotorana  raha toa ka nanao  fitarainana i Dariera manoloana ny fahafatesan-janany dia voasambotry ny fokonolona  ilay nahavanon-doza tamin’ izay fotoana izay, ary voaporofo ihany koa  fa mpiray tanàna taminy ity namono azy. Resaka tsindron’antsy no niseho rehefa kimamomamo izy ireo. Manoloana ny fitoriana napetrak’i Dariera an’ilay voarohirohy ho namono ny zanany anefa dia nametraka fitoriana rahateo koa ny dadaben’ilay tovolahy voaendrikendrika mba ho setrin’ny fitoriana azy ireo. 

Ny mahatalanjona ny mponina manoloana ny zava-nitranga anefa dia  mbola tsy voavaha akory ny olana teo aloha dia iny fa nisy  namono tamin’ny fomba mahatsiravina indray  i Dariera.  Mbola eo am-panatanterahana ny  famotorana lalina moa ny  mpitandro filaminana ao an-toerana  hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés