Webradio

AMPARAFARAVOLA : Nomena 20 tapitrisa Ariary ireo jiolahy ho takalon’ny ain’ilay zaza

Mandry tsy lavo loha tanteraka ireo mponina ao Amparafaravola sy ny manodidina noho ny firongatry ny  fakàna an-keriny ao an-toerana.  31 juillet 2019

 Raha ny tatitra voaray farany mahakasika ilay  zazavavy enina taona  nisy nangalatra ny faha-25 jolay lasa teo iny dia  fantatra izao  fa efa tafaverina eo am-pelatanan’ny ray aman-dreniny  izy io rehefa nandoavana vola mitentina 20 tapitrisa Ariary  nomena ireo  mpanao  “kidnapping” araka ny angom-baovao voaray tamin’ireo mponina Ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana tsy nanaiky nitonona anarana kosa, dia milaza fa tafakatra 60 tapitrisa Ariary ny sandan’ny famotsorana.

Teny  amin’ny toerana antsoina hoe  Manevoka, Kaominina Ambakireny no fotoana nomen’ireo olon-dratsy ny fianakaviana hifanomezana ny vola sy ilay zaza, omaly  maraina, tokony ho tamin’ny  sivy ora tany  ho any. Taorian’io tranga io dia raikitra ny fifanjevoana  teo amin’ireo  jiolahy sy  ny mpitandro filaminana mampandry tany any ao an-toerana hatramin’ny omaly. Araka ny  loharanom-baovao  voaray  farany dia tsy  mbola hita popoka ireo olon-dratsy  nahavanon-doza, ka manambatra hery ireo  zandary amin’ny  fanatanterahana ny vela-pandrika hijokoana azy ireo hatreto. Tsara moa ny manamarika  fa  efa tao anatin’ny iray volana izay dia   nahazo laka ny resaka “kidnapping” tao amin’ity Distrika ity, hany ka mitaintaina mafy ny  fokonolona ankehitriny.  

Raha tsiahivina lavitra ny distrika nitrangan’ny fankàna ankeriny nisesisesy teto amin’ny firenena ny faritra nitrangan’ity fakàna an-keriny ity. Ambakireny dia tsy lavitra an’ny kaominina Brieville nisehoan’ny fakàna an-keriny an’ilay nikasa hirotsaka kandida depiote maty novonoin’ireo mpaka an-keriny tamin’ny voalohan’ny taona ireny. Dia izao mbola mamela farasisa sy takaitra ratsy izao ireo mpanao ratsy amin’ny fakàna an-keriny sy fitakiana vola tsy ara-drariny amin’ireo ray aman-dreny lasibatra izao. Izany hoe tsy lavitra ny Distrikan’i Tsaratanàna ity toerana nitrangan’ny fakàna an-keriny ity. Ahiana araka izany ny mety hisian’ny fifandraisan’izao mpanao ratsy amin’ireto toerana tsy mifanalavitra loatra ireto.  

Miandrandra vahaolana matotra avy amin’ny fitondram-panjakana  ny rehetra amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés