Webradio

FANDROBANA SY HERISETRA : Saron’ny Polisy ilay rangahy tsy mpandoa ny volan’ireo mpivarotena

Tranga hafahafa nanaitra  ny mponina teny amin’ny manodidina an’Andohatapenaka  ny fahitana rangahy iray nifanenjehan’ny fokonolona teny an-toerana  ny faramparan’ny herinandro lasa teo iny.  31 juillet 2019

Araka ny loharanom-baovao  voaray avy amin’ny  Polisim-pirenena, omaly dia ny  sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina  no nenjehina olona maromaro teny amin’ny faritra Andohatapenaka izy io. Raha  vao nahita izany  ny Polisy   dia nandray andraikitra avy hatrany  mba hiverenan’ny filaminana ka  nisambotra ity lehilahy ity. 

Nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-7 izy nanaovana fanadihadiana. Tamin’io maraina io ihany anefa  dia  nisy vehivavy mpivarotena miisa  efatra  no tonga nametraka fitarainana mahakasika io lehilahy io noho izy tsy mety mandoa vola sady mandrahona amin’ny antsy. Etsy andanin’izay mbola miverina any amin’ilay tranon’ireo mpivarotena ka mamaky izany no sady maka izay rehetra azony alaina ao. 

Fantatra nandritra ny fakana am-bavany azy   hatrany moa fa efa nifonja teny Tsiafahy ity  farany noho ny antony fitanana fitaovam-piadiana sy fikambanan-jiolahy mahery  vaika eny amin’iny faritra iny. Niaiky ny fiampangana azy ity lehilahy ity ka aorian’ny famotorana dia hatolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés