Webradio

LALAO MIVERINA CHAN 2020 : Tafita any amin’ny Dingana manaraka ny Barean’i Madagasikara

Omaly no notanterahina ny lalao miverina nifaoavan’ny Barea sy ny Mambas Mozambikana.  5 août 2019

Tao Maputo, renivohitr’i Mozambika no nifanandrina ny ekipa roa tonta. Telo sy roa no nisarahana. Telo ho an-dry zareo Mozambika ary roa ho an’ny Barean’i Madagasikara. Araka izany, tafakatra amin’ny dingana manaraka ny Barean’i Madagasikara ary afaka hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra. 

Teo amin’ny fizaràm-potoana voalohany, tsy nitoko mihitsy isika Malagasy na dia niezaka nanafika ihany aza ny irakiraky ny Barea. Nifanohitra tamin’izany ny an-dry Zareo Mozambikana satria izy ireo no nisantatra ny isa, nampiditra baolina tany anaty harato. Nahita isa 3 be izao izy ireo teo amin’ny fizaràm-potoana voalohany ary azo lazaina ho nanjaka tokana mihitsy. Hatreo amin’io fizaràm-potoana voalohany io dia nijanona teo amin’io isa 3 noho ny aotra io no nisarahan’ny roa tonta.

Nanova paikady ny Barean’i Madagasikara teo amin’ny fizaràm-potoana faharoa. Vokany, vantany vao nanomboka minitra vitsivitsy monja ny lalao dia nahita isa iray tamin’ny alalan’i Arnaud ny Barean’i Madagasikara : Tolotra avy any amin’i Toby, notatazany avy tany amin’ny ilany havanan’ny kianja ity voarain’i Arnaud ity ary io no isa voalohany tafiditry ny Barea. Nanomboka teto, velombelombolo ny Barea ka minitra vitsy taorian’io indray dia nahita isa iray tamin’ny alalan’i Lalaina. 

Nahazo fe-potoana fanampiny nandritra ny 5 minitra ny ekipa roa tonta saingy tsy niova ny isa fa nijanona tamin’io 3 noho ny roa io. Tsiahivina fa tamin’ny lalao mandroso, natao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina dia nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny BAREA. Hiatrika ny dingana manaraka indray izany ireto mpilalon’ny Barea ireto aorian’izao. Mila fanohanan’ny rehetra izany.  Alefa Barea !

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés