Webradio

DISTRIKAN’AMBANJA : Tovolahy iray maty nofirafiraina tamin’ny antsy, nitolo-batana ny nahavanon-doza

Mirarakompana ny vono olona  amin’ny fomba feno habibiana mitranga amin’ny faritra maro eto amintsika.  7 août 2019

Sahy mifamono, mifandatsa-drà ary tsy   misy  tahotra intsony ny ankabeazan’ny zava-miseho  matetitetika nahazoana loharanom-baovao . Araka ny tatitra voaray  avy  any amin’ny Distrikan’Ambanja izao dia  tovolahy  vao erotrerony  25 taona monja  no maty,   izay nisy namono tamin’ny  fomba mahatsiravina ny alahady faha 04 aogositra lasa teo iny. Raha ny fanazavana voaray bebe kokoa dia  mpandraharaha misehatra amin’ny lavanila sy kakao irony no antom-piveloman’io  tovolahy io. Ny nahagaga ireo mpiray vodirindrina taminy anefa dia  nindaosin’ ny fahafatesana  tampoka tsy nampoizina  ity farany tao  Ambalafary  Kaominina Maevatanàna Distrikan’Ambanja. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia  voaporofo fa nofiraina tamin’ny antsy teo amin’ny tendany izy io ary dia tapaka nizara roa mihitsy  izany.

Nitolo-batana  tany amin’ny Polisy ny  nahavanon-doza :

  Voalaza fa  nitolo-batana tany amin’ny zandary tao Bemanevika ny Alatsinainy teo ny nahavanon-doza namono nahafaty  io lehilahy io  taorian’ny  vono mahatsiravina vitany. Tsy mbola misy mahafantatra mazava ny tena antony nifandiran’ny  roa tonta kosa anefa ny  rehetra hatramin’izao. Mbola eo am-panohizana ny  famotorana lalina ny eo anivon’ny  tompon’andraikitra misahana izany  ankehitriny. Arahina akaiky ny  tohin’ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés