Webradio

LOZAM-PIARAKODIA TENY ANKAZOMANGA : Tovolahy iray maty, efatra hafa naratra mafy

Omaly faha 07 ny volana Aogositra 2019 dia nisehoana trangana lozam-pifamoivoizana tetsy Ankazomanga. Fiara tsy matahodalana iray (4X4 Nissan)nizotra ho any Andraharo niezaka niala bisikileta iray teo anoloany no tavafoaka ny arabe. 8 août 2019

Nandona fiara iray izay nijanona amoron-dalana (peugeot 306) sy mpandeha an-tongotra miisa telo (03) ilay fiara. Ny iray tamin’izy ireo, izay tovolahy 25 taona dia maty tsy tra-drano ary lehilahy lehibe iray 52 taona sy vehivavy iray 20 taona kosa no naratra vokatr’izany. 

Naratra ihany ko vokatr’izany ilay mpitondra bisikileta teo anoloana sy mpitondra moto iray izay nanaraka ilay fiara tao aoriana. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa moa ireo olona naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity ary efa notanana eny amin’ny «  Brigade des Accidents de la Circulation  » kosa ilay rangahy mpamily ilay fiara tsy mataho-dalana atao famotorana. Tsy mitsahatra manentana ny  rehetra izay mpampiasa ny arabe mba ho malina hatrany sy hanaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana moa ny  eo anivon’ny Polisim-pirenena.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés