Webradio

« FIERMADA 2019 » : Hifanome tanana amin’ireo tantsaha ny fitondram-panjakana

Nosokafana  tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka  ny andiany faha-21 amin’ny hetsika «  Fier Mada. »   8 août 2019

Haharitra dimy andro ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 11 aogositra ho avy izao. Tonga teny an-toerana nanokatra ity hetsika ity ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Isan’ny lohahevitry ny «  Fiermada  » tamin’ity andiany faha-21 ny fikatsahana fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny fifampiresahana mivantana amin’ireo tantsaha eny ifotony mba hahafahana mamoaka ny vokatra vokariny.

Nampitaraina ny mpikarakara ity hetsika ity hatramin’izany ny faharatsian’ny fotodrafitrasan’ny tantsaha sy ny tsy fahazoan’izy ireo tohana avy amin’ny fanjakana. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa « miady irery ny tantsaha satria sady ratsy ny lalana hamoaham-bokatra  no tsy misy ny lalam-barotra. » Manoloana izany dia nanambara ny filoha, Andry Rajoelina  fa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ankehitriny ny fanohanana ny tantsaha  na inona na inona sehatra misy azy. Efa maro ny tantsaha notohanana tamin’ny alalan’ny tetikasa «  Fihariana  », hoy ny filoha ary efa misy lalana hafa ihany koa amin’izao hanampiana mivantana ny tantsaha ka isan’ireny ny fanamboaran-dalana manerana ny faritra maro eran’i Madagasikara. 

«  Mila mitady lalam-barotra mankany ivelany isika ary mila avoaka ny vokatra any amin’ny faritra rehetra, ka hamoraina ny fahazoan’ireo tanora hiroso amin’ny fandraharahana, ampiana fampiofanana azony ary hampitomboina ihany koa ny tohana ara-bola  » hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Notsindrian’ny Filoha manokana fa efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny lalana any amin’ireo faritra rehetra mamokatra eto Madagasikara  mba hahatratrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo amin’ny taona 2020, ka isan’ireny ny lalam-pirenena faha-44 sy ny lalam-pirenena mampitohy an’ Ambilobe-Vohamer.

70% nahita lalam-barotra

Ho an’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono kosa dia nambaran’izy ireo fa efa nisy ny dingana natao nanatsarana ny fandraharahan’ny tanora. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa Pejar nanohanana ny tanora hisehatra misimisy kokoa eo amin’ny tontolon’ny famoronana asa. Raha ny tarehimarika  dia maherin’ny 70 isan-jaton’ireo olona nampiranty ny vokatra tamin’ny Fiermada tamin’ny taona 2017 no efa nahita lalam-barotra manokana namoahana ny vokatr’ izy ireo tamin’ity andiany faha-21 ity. Nitombo ihany koa ny mpampiraty satria tranoheva manodidina ny 450 eo ho eo no hita teny an-toerana ary saika tazana teny avokoa ireo rehetra mifanaraka amin’ny filan’ny tantsaha toy ny tohana ara-bola, tetikasa hanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés