Webradio

TRANGA

AMBOLOMADINIKA TOAMASINA : Niely ny feo momba halatra taova, ramatoabe iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mbola tsy milamina ny lafiny fandriampahelamana, dia efa misy toe-draharaha hafa mafana indray ao Toamasina.  12 août 2019

Ny  zoma 9 aogositra lasa teo tokony tamin’ny 3 ora tolakandro, tovovavy iray izay mpiasa an-trano ao amin’ny ramatoabe iray monina ao Ambolomadinika no tonga teny amin’ny zandary nilaza fa nahita taova sy lohan’olona efa maty tao aminny toeram-pidiovana ao amin’ny tranon’ilay ramatoabe mpampiasa azy. 

Ilay tovovavy mpiasa izay fantatra fa avy any Mananara-Avaratra fa tonga ao Toamasina miasa an-trano.

Nohafainganin’ny teo anivon’ny fampanoavana ny famoahana fahazoan-dalana misava trano nanoloana io fitarainana io. Ny andron’ny zoma 9 aogositra io ihany tokony tamin’ny 5 ora hariva, tonga teny amin’ilay trano ny zandary nanao ny fisavana.

Vantany nahita mpitandro filaminana maro be tonga teny amin’ny trano fonenan’ilay ramatoabe ny mponina teny amin’ny faritra Ambolomadinika sy Morarano, dia efa raikitra avy hatrany ny  fitangoronana. Efa an-taonany maro mantsy no niely ny feo fa manao trafikana taova ilay ramatoa be. Misy soratra efa an-taonany «  mitady mpiasa kilasy mandry  » hatrany eo anoloan’ny vavahadin-tranony. Efa ela no efa niahiahian’ny mponina eny an-toerana azy ho manao trafikana taova io.
Nitohy ny sabotsy 10 aogositra ny fikasan’andian’olona maro hanao fitsaram-bahoaka sy handoro  ny tranon’ilay ramatoa.

Ilay ramatoabe izay tena tsy mamy hoditra teo anivon’ny fiaraha-monina. Re araka ny angom-baovao fa anisany nolazain’ilay vehivavy mpiasa tao amin’ilay fitoriana nataony ny tsy fahitana tovovavy iray niara-niasa taminy tao amin’ilay tokantrano. Tsy fantatra na maty na velona, araka ny voalazany.

Fantatra araka ny vaovao voaray hatrany fa efa nesorina tao amin’ilay trano fonenany ilay ramatoabe mba hialana amin’ny fitsaram-baoaka. Mbola samy anaovana fanadihadiana na izy na ilay mpiasa vavy nilaza ho nahita fatin’ olona.
Misy olona roa hafa nosamborina. Ireto farany izay sarona tamin’ny fandorana kodiarana teo ambony godorao nandritra ilay sakoroka, ny zoma hariva. Fiara telo no simba. Polisy iray naratra voan’ny tora-bato.

Ny sabotsy 10 aogositra, nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny OMC Toamasina. Valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notarihin’ny Préfet Toamasina Cyrille Benandrasana sy ny tonia mpampano  lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Thierry Lauret Rajaonah. Nanamafy ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina Rajaonah Lauret Thierry sy ny préfet Toamasina Benandrasana Cyrille, fa raha hita porofo ny fisian’izany trafikana taovan’olona sy faty olona tao amin’ny tranon’ity ramatoabe ao Ambolomadinika ity dia tsy maintsy handray fepetra mifanaraka amin’izany ny Fitsarana na voalaza fa aza ray aman-drenina mpandraharaha ara-toekarena fanta-daza amin’ny resaka vokatra fanondrana ao Toamasina ity ramatoabe.

Nanamafy kosa izy ireo fa mbola tsaho ihany aloha izany hatreto. Mitohy ny fanadihadiana.

Ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny faritra Ambolomadinika sy Morarano iny anefa dia manizingizina fa «  tena ataony io afera maloto io  » ka mila andraisana fepetra. Manahy ihany koa izy ireo ny amin’ny mety fisian’ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana sy ny teo anivon’ny Fitsarana.

Ny alahady 11 aogositra, efa niverina amin’ny laoniny ny filaminana ao Ambolomadinika. Tsy nahitana olona nitangorongorona intsony teo anoloan’ny tranon’ilay ramatoabe ahiahiana.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés