Webradio

FIKASANA FAKANA AN-KERINY : Dahalo miisa telo lavon’ny fokonolona tany amin’ny Distrikan’i Betroka

Dahalo telo indray no  maty voatifitry ny fokonolona tao Amberomena Fokontany Irotsoka  kaominina  Ambalasoa, Distrikan’i Betroka. 13 août 2019

Araka ny loharanom-baovao  voaray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia tamin’ny zoma 09 aogositra tokony tamin’ny telo ora tolakandro no naka satrana hanamboarana tsihy i Godea, teo amin’ny toerana tsy dia mifanalavitra loatra amin’ny toerana misy azy. Raha ny  fanazavana voaray dia nifanena tamin’ireo andian-dahalo efa nanam-pikasana ny haka an-keriny olona maromaro tamin’ity toerana ity, ka nifanojo tamin-dry Godea sy ny namany hafa naka hazo hanaovan-trano tamin’ny toerana avaratra tsy mifanalavitra amin’ny Amberomena.

Akory ny hatairan’ireto farany fa dahalo fito lahy mitam-piadiana no tonga nanatona sy nandrahona azy ireo fa hatao “Bohiry” izy ireo. Tsy nanaiky izany i Godea sady izy rahateo mbola nanana fotoana ahafahany mandositra tsara, moa ny toerana ihany koa isany amin’ireo toerana manavanana azy satria toerana filalaovany hatramin’ny fahakeliny. 

Nandositra izy mbamin’ ireo namana ka niantso vonjy tamin’ireo zandary sy vatan-dehilahy namany tao Amberomena, ireto farany izay tsy nety nolembenana, ka raikitra ny fifandonana tamin’ireo malaso mpaka an-keriny ireo. Vokany telo tamin’ireo fito lavon’ny hokonolona izay mbola tanora erotrerony avokoa fa efatra hafa afaka nandositra. Sarona niaraka tamin’ireo dahalo maty ihany koa ny basy roa vava iray. Araka ny  angom-baovao voaray  avy any an-toerana  ihany moa dia mahazo  tombony ireo mponina  ao Betroka  noho ny  fampianaran’ireo andiana zandary  mikasika ny fiarovan-tenam-pokonolona indray mandeha isan-kerinandro  ho fiarovan-tena  sy  fiarovana ireo fananana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés