Webradio

FENOARIVO-ATSINANANA : Nanadio ny moron-dranomasina ny fikambanana IMT

Tsy mijanona ao Toamasina an-tampon-tanàna sy any amin’ny Faritra Atsinanana ihany ireo asa sosialy ataon’ny fikambanana IMT fa miitatra any amin’ny Faritra Analanjirofo.  13 août 2019

Ny andron’ny alahady 11 aogositra, nisy ny fanatanterahana Tagnamaro fanadiovana ny moron-dranomasina La Piscine Fenoarivo-Atsinanana, izay toeram-pitsangantsangana sy ranomasina filomanosana. Nifanome tanana tamin’izany ireo mpikambana IMT avy ao Toamasina sy ny mpikambana ao Fenoarivo-Atsinanana.
Nanadio no sady nandefa hafatra ho an’ireo mpitsangantsangana sy ireo mpivarotra eny an-toerana mba tsy hanary fako eny amin’ny manodidina intsony. Nisy ihany koa ny fanesorana ireo kodiarana nisy nandoro sy nanary teny amoron-dranomasina. Anisany nandray anjara tamin’ny Tagnamaro ireo mpivarotra.

Tonga namaly ny antso ny sampandraharaham-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Analanjirofo, 2e BLIG, ny DRENETP, ny teo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny mponina Analanjirofo, ny sampandraharaham-paritry ny fizahantany, ny sampandraharaham-paritry ny varotra. Tsara ny manamarika fa ny talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Analanjirofo Ndiamahazo Mickaelys no filoha mpanorina ny fikambanana IMT (Ino Maresaka à Tamatave). Fikambanana izay teraka avy tao anaty tambazotra sosialy facebook. Tonga nitarika ny delegasiona avy tany Toamasina ny filohan’ny fikambanana, Viviane Rahariniaina.

Nisy ny fiaraha-mikorana taorian’ny fahavitan’ny Tagnamaro
Ankoatra izay, ny andron’ny sabotsy 11 aogositra, nanao hetsika ara-tsosialy fanomezana fanafody ho an ’ny SEMI (Service de l’Equipe Mobile d’Intervention) eo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamam-bahoaka Analanjirofo (DRSP) ny IMT. Fanafody mitentmi-bidy manodidina 20 000 000 Ariary no natolotra tamin’izany.

Teny manainga ny IMT ilay hoe «   Tsy misy managna ny ampy fa sambatra izay mifanampy  », ka mahatsiaro manana adidy ireo mpikambana amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona.

Nandritra ireo hetsika ireo no nanambaràna tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny fikambanana IMT rantsana Fenoarivo-Atsinanana. Efa naharaisana fangatahana ho amin’ny fananganana ny IMT ihany koa ireo distrika 5 ambiny mandrafitra ny Faritra Analanjirofo : Sainte-Marie, Vavatenina, Maroantsetra, Mananara-Avaratra, Soanierana-Ivongo. Efa eo am-pandinihana ny amin’ny fametrahana izany ireo mpitarika ny fikambanana.

Tsy eto Madagasikara ihany no misy IMT fa efa mijoro any Eoropa ny IMT Diaspora. Ireto farany izay manamoy ny IMT eto Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa maro anasoavana ny mpiara-belona.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés