Webradio

FAHATRARANA BASY TSY ARA-DALANA : Miisa roa ireo olona voasambotra tao Ambondromamy

Tsy misy fitsaharana intsony ny fanatanterahan’ny mpitandro filaminana  ny savahao ireo izay mbola minia mampiasa basy tsy ara-dalàna ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana.   16 août 2019

 Hentitra dia hentitra izy ireo ary mangataka fiaraha-miasa  amin’olon-tsotra hatrany mba hanome vaovao raha sendra ka mahita tranga mampiahiahy, eny fa na dia  trangam-piarahamonina hafa aza no mety hiseho eny amin’ny manodidina. Ny 10 Aogositra 2019  lasa teo, tamin’ny 9 ora alina tao Ambondromamy Distrikan’ Ambato boeny, rehefa nanao fisafoana ny zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Ambondromamy dia nahatsikaritra olona roa nitondrana entana mampiahiahy.

Rehefa natao tokoa ny fisavana ny roa tonta dia nahitana Basim-borona “calibre 12”. Olona 2 no notanana hanaovana fanadiadiana taorian’izay. Hiakatra fampanoavana kosa ny raharaha aorian’ny famotorana lalina. Fanatsarana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy  no antony goavana mahatonga ny fisavana ny mponina izay minia mampiasa izany amin’ny tsy ara-drariny hoy hatrany  ny mpitandro filaminana misahana izany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés