Webradio

FIPARITAHANA ZAVAMAHADOMELINA RN7 : Rongony 8 gony milanja 905kg indray no saron’ny zandary

Manao tohivakana hatrany ankehitriny ny  fahatrarana zava-mahadomelina amin’iny lalam-pirenena fahafito iny.  16 août 2019

Tsikaritra ihany fa ao amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy  no tena betsaka  manao ity afera ity izay efa am-perinasa mamongotra izany ny mpitando filaminana. Ny 11 Aogositra 2019  lasa teo  tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro tao Mahasoa Sud Kaominina zazafotsy  Distrikan’Ihorombe tamin’iny lalam-pirenena faha 7 iny, ny Borigady  tao Ihosy dia nahatratra rongony  miisa enina gony izay milanja 885kg tao anaty fiara iray. 

Olona 02 no notanana hanovana fanadiadiana mahakasika izany hatreto. Ankoatra izay, ny 13 Aogositra 2019 lasa teo raha nanao fisafoana ny avy ao amin’ny Borigady avy ao Fianarantsoa dia nahatratra rongony milanja 20kg tao anaty fiara taksiborosy iray mampifandray an’Ihosy sy Fianarantsoa izay natao tao anaty gony miisa roa. Olona 2 raha teo koa  no notanana hanaovana fanadihadiana  no sady nogiazana ny fiara nitondra izany amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés