Webradio

TETI-BOLAM-PANJAKANA 2020 : Hampifanarahina amin’ny velirano nataon’ny Filoha

Hifantoka betsaka amin’ny famaliana ny filàn’ny sosialim-bahoaka mba hanomezana tombontsoa manokana ho an’ny vahoaka Malagasy ny volavolana teti-bolam-panjakana amin’ny taona 2020. 16 août 2019

Hampifanarahina izany amin’ireo velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina mba tena hifanaraka amin’ny ambaindain’ny fiainan’ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’io ny fanamboarana ireo foto-drafitrasa mamaly ny andavanandron’ny mponina toy ny sekoly manara-penitra, hopitaly manara-penitra, toho-drano, tetezana sy ny maro hafa. Hentitra ny Filoha raha nilaza fa ilaina ny asa feno fahamatorana sy fandraisan’andraikitra mba hampifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka sy ny toe-java-misy isaky ny Faritra no tokony hapetraka amin’ny fandrafetana ny volavolana teti-bola ho amin’ny taona 2020. 

Nambarany fa mila ampitomboina ny teti-bola natokana hanatsarana ny lafiny ara-tsosialy, mila ampitomboina tahaka izany ihany koa ny famatsiam-bola natokana ho amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Nandritra ny filan-kevitry ny  ny minisitra no nanaovan’ny Filoha an’io fanambarana io. Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo fanapahana noraisina mifandraika amin’ny famahana ny olana ara-tsosialy izay mianjady amin’ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao. Misy ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana manoloana izany. Isan’izany ny olan’ny famatsian-drano eto an-drenivohitra izay nambara fa ny minisitra tompon’andraikitra ny hitady ny vahaolana hamahana izany. Eo ihany koa ny olan’ny famatsiana arina fandrehitra izay namoahan’ny fanjakana fa azo atao tsara ny mikapa ny hazo kesika, kininina sy bolabolan-kazo ankoatra ireo  hazo sarobidy voaaro sy voafaritra mazava tsara ao anatin’ny “cites”. Voalaza anefa fa izay manapaka dia tsy maintsy mamboly hazo.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés