Webradio

AMBOHIDRAPETO : Nokendain’ilay jiolahy ilay ramatoa, lasa ny entana sarobidy rehetra

Mpivady tratra hariva handeha hamonjy fodiana  indray no lasibatry ny jiolahy ny sabotsy  lasa teo tokony  ho tamin’ny valo ora alina,  teny Ambohidrapeto. 19 août 2019

Raha ny loharanom-baovao voaray avy tamin’ ireo niharam-boina dia  jiolahy miisa telo nitondra zava-maranitra toy ny antsy  miendrika sabatra irony no nanakana azy ireo.  Avy hatrany dia niantso vonjy ilay ramatoa tamin’io  saingy nokendain’ilay jiolahy anankiray  no sady nambanan’izy ireo hofofoina ny  ainy.  Nilefitra moa ireto mpivady ireto ka  nandohalika tamin’izy ireo  no nanome  izay teny am-pelatanana niampy ny  sakaosy iray nisy ny  entan’izy  ireo hafa. 

Vokany, lasan’ireo olon-dratsy ny finday  raitra miisa roa, peratra volamena , vola  misimisy izay tsy voafaritra loatra ny fitambarany ary ireo akanjo tany anaty kitapo. Raha ny fanazavana voaray ihany dia nilaza ireto  farany  fa  somary nangingina ny toerana  hany ka nanararaotra izay tsy izy  ireo mpandroba noho ny  fananana fotoana nampihorohoroana ireto lasibatra.  

Taorian’izay dia nirohotra nitsoaka  ireo olon-dratsy raha toa ka nitsoaka nanavotra ny ainy  kosa ireto voaendaka noho ny tahotra mafy nahazo azy ireo. Araka ny fitarainana  voaray teny amin’ny  manodidina dia noho ny tsy fisian’ireo andrin-jiro mirehitra  izay natao   hanazava ny lalana isan-kariva  no antony mahatonga ireo jiolahy mirongatra eny amin’iny faritra iny. Tsara mantsy ny manamarika hatrany fa  toerana  isany anjakan’ny tsy  fandriam-pahalemana  matetika ao anatin’ny Distrikan’Atsimondrano raha i Ambohidrapeto manokana no asian-teny. Manaitra ny tompon’andraikitra mahefa hatrany araka izany  ny mponina eny an-toerana mba hizaha akaiky ary koa hitondra vahaolana .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés