Webradio

KAMIAOBE NIFANDONA TANY AMIN’NY RN2 : Iray namoy ny ainy, nitohana tanteraka ny fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray no niseho  tany Ranomafana , lalam-pirenena faharoa, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ny sabotsy 17 aogositra 2019 lasa teo.  19 août 2019

Kamiaobe anankiroa  samy nitondra kaontenera no nifandona tamin’io fotoana io izay tao anaty fiolanana, alohan’ny hidirana ny tanànan’i Ranomafana . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray raha naratra mafy kosa ny iray hafa raha toa ka miisa efatra izy ireo no niharam-boina. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany dia  niteraka fitohanan’ny  fifamoivoizana ny loza nitranga satria dia  nibahana ny arabe ireo kamiao anankiroa ireo. 

Tsy nisy  afaka nandeha avokoa ireo fiara kely sy fiara taksiborosy hafa  nandritra ny ora maromaro.  Araka ny fanazavana voaray avy amin’ireo mpampiasa lalana  mivezivezy amin’iny toerana iny  dia nanambara izy ireo  fa tsy vao izao akory no nisehoana lozam-piarakodia  io lalana io  fa efa matetika loatra noho ny fahabetsahan’ireo lalana miolakolana sy teritery.

Tokony hisy araka izany  ny  fametrahana takelaka  famantarana ireo  toerana  mety hampidi-doza  mba ho fisorohana avy hatrany. Etsy andanin’izay ny  fahamailoan’ny mpamily hatrany amin’ny  fanajana ny hafainganam-pandeha sy  ireo lalana mifehy ny fifamoivoizana.

Tatianà R.


FISOROHANA ACCIDENTS AMIN’NY RN2
2019-08-20 09:27:20 par Leon

Izao no sosokevitra avy aty amiko mba hisorohana accident amin’ireny tournants ireny. Tokony asiana fitaratra (rétroviseurs) ahitana na hoan’ny fiara miakatra n’a midina fa misy avy dia samy mitandrina amin’izay.Dia ny fiara midina mijanona miandry ny fiara miakatra.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés