Webradio

ZANDARIMARIAM-PIRENENA TOAMASINA FAHAROA : Jiolahy telo maty voatifitra, 5 azo sambo-belona

Tsy mikoso-maso amin’ny jiolahy ny Zandarimariam-pirenena Toamasina. Ny marainan’ny alarobia 14 aogositra, raim-pianakaviana iray mpandraharaha monina ao amin’ny Kaominina Sandahatra Toamasina II no notafihina jiolahy 8 lahy mirongo basy, ka tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ainy.  19 août 2019

Ny marainan’ny alarobia io ihany, dia nahazo antso momba io fanafihana io ny zandary tao Toamasina. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary. Nanomboka teo Ivoloina mihazo ny Kaominina Ambodimandresy sy Sandahatra, Ampasimbe-Onibe ary Ambodinjirofo sy Basindrano izay samy ao anatin’ny disitrikan’ i Toamasina Faharoa izany fifanenjehana izany. Napetraka ny sakana. Voasambotra tao Basindrano ny iray tamin’ireo jiolahy. Nogejaina ny finday teny aminy. Nanampy betsaka tamn’ny fikarohana ireo namany hafa ny fahazoana io finday io. Voasambotra tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara ao Fenoarivo-Atsinanana ny faharoa.

Nibaradaka ireto farany ka nanondro ireo namany sy nilaza fa mbola any anaty ala any amin’ny faritra Toamasina faharoa ny naman‘izy ireo. Raikitra noho izany ny haza lambo ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Niezaka nanohitra ireo jiolahy mbola tavela tany anaty ala. Voatery nampiasa hery ny zandary. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy. Miisa 5 ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’ny faritra Toamasina Faharoa voasambotry ny zandary. Ny iray amin’izy ireo izay tompon-tanàna mpanome vaovao, mpamantatra ireo olona hotafihina.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés