Webradio

FITSARANA AO FENOARIVO-ATSINANANA : Mametraka fomba fiasana iadiana amin’ny mpanera

Ny talata 13 aogistra lasa teo no nandeha voalohany tao amin’ny Radio RNM Fenoarivo-Atsinanana ilay fandaharana «   Lalàgna Velogono  ».  19 août 2019

Fandaharana teraka vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-pparitry ny Serasera sy Kolontsaina Analanjirofo ary ny Fitsarana ambaratonga voalohany  Fenoarivo-Atsinanana. Fandaharana iresahana momba ny lalàna sy ny tontolon’ny fitsarana.

Nadritra izany no nanazavam’ny filohan’ny Fitsarana Fenoarivo-Atsinanana, Bernako Minerva, ireo fomba fiasa efa napetraka mba hahatonga ny fitsarana ao an-toerana ho lavitry ny mpijirika na ny mpanera.

Efa misoratra eo anoloan’ny biraon’ny Fitsarana ny saran’ireo fikaranarana taratasy ho an’izay tsy maintsy misy sarany.

Nomarihiny fa ho an’ireo mponina avy amin’ny distrika efatra iandraiketan’ny fitsarana Fenoarivo-Atsinanana, dia efa tsy  mila miakatra any Toamaisna intsony raha mikarakara «  casier judiciaire  ». Izay asa rehetra ataon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, dia efa ataon’ny Fitsarana ambaratonga volohany ao Fenoarivo-Atsinanana.

Noantitranterin’ny filohan’ny fitsarana ao an-toerana fa fitsarana manatona vahoaka no fanamby, ka misokatra midanadana ho an’ireo izay manam-panontaniana sy mila fangataham-panazavana ny varavaran’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Fenoarivo-Atsinanana.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés