Webradio

ASA TAGNAMARO : Horaisin’ny Minisiteran’ny Serasera ny fanamboarana ny lalana simba eny Soanierana

Tontosa ny sabotsy 17 aogositra  2019 lasa teo ny fanatanterahana ny hetsika asa tagnamaro andiany faha-enina Manerana ny Nosy. 19 août 2019

 Navitrika ny mponina ary saika naneho ny firaisankinany avokoa satria efa azo laza lazaina fa tafapaka amin’ny rehetra ny finiavana  manadio sy manamboatra  ny tontolo manodidina. Anisany  naneho ny  fahavononany hatrany ny eo  anivon’ ny Minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina  ka  teny Soanierana,  Tsaralalàna , Petite vitesse, Ambodifilao, Andravoahangy  no toerana nodiovin’izy ireo tamin’izany. 

Nisongadina indrindra tamin’io fotoana io ny nandraisan’ny teo anivon’ity minisitera ity ny fanamboarana ilay  lavakabe nanapaka ny lalana eny Soanierana izay efa ho herintaona mahery. Taorian’ny antso nataon’ny mponina teny amin’ny manodidina manoloana ny fijalian’izy ireo  mahakasika io lalana io no nandraisana fanapahan-kevitra avy hatrany, ka nirotsahana an-tsehatra  amin’ny famitàna izany. 

Hiezaka hifanome tanana ny mponina ka vinavinaina hovitaina ao anatin’ny roa volana ny asa raha ny tomban’ireo injeniera miara-miasa amin’ny Minisitera. Fanombohana ny asa moa no natao tamin’io sabotsy io ary efa nankasitraka sahady  ny fahavononana ireo mponina eny amin’ny manodidina .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés