Webradio

HALATRA LAVANILA TAO VOHEMAR : Jiolahy miisa enina matin’ny fitsaram-bahoaka

Tofoka tanteraka amin’ny  asan-dahalo mahery  vaika  ny mponina amin’izao fotoana, hany ka  raha vao sendra  mahatratra ireo malaso  manao ny  asa ratsiny  dia efa tonga ao an-tsaina ny    fitsaram-bahoaka.  20 août 2019

Efa betsaka  ny natao  haza lambo sy  nindaosin’ny fahafatesana  tamin’izany  ary  mbola   nahazoana   loharanom-baovao  mafana indray aza ankehitriny  ny zava-niseho tao Beranofary,  kaominina Tsarabaria, Distrika Vohémar. Araka ny  loharanom-baovao  voaray  avy  eo anivon’ny  zandarimariam-pirenena, omaly teo am-panoratana lahatsoratra dia ny alin’ny 18 Aogositra 2019 tamin’ny 1ora sy 10 minitra dia nahare antso ny kaomandin-tobim-paritra ao Ampanefena fa misy olon-dratsy  miisa valo  eo   nanafika tokantrano iray tao Beranofary,  kaominina Tsarabaria,  Distrikan’i Vohemar. 

Voaroba tamin’io fotoana  io ny lavanila milanja  150 kg eo ho eo. Nanao ny fanenjehana ireo  jiolahy avy hatrany  ny fokonolona  ka  efa nanao fahirano  sy  fiambenana ny tanàna ihany koa. Ny  kaomandin-tobim-paritra tao Ampanefena moa raha nahare  ny raharaha  dia  nandefa zandary  rahateo  koa, lalana eo amin’ny adiny 4 ora an-tongotra ny elanelana misy avy ao Ampanefena ka hatreo Beranofary. Ny fokonolona izay efa niambina ireo olon-dratsy ireo no namono avy hatrany ny 6 tamin’ ireo jiolahy  tonga nanafika, naratra mafy  ary  dia maty tsy  tra-drano teo noho eo ireto farany. Tratra tamin’izy ireo ny basy poleta   roa  sy  lavanila  milanja 90kg eo ho eo.    

Manoloana  ity tranga ity  dia nandray fepetra ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana ao  amin’ny Faritra Sava  ny  amin’ny fanentanana ny olona mba tsy hanao fitsaram-bahoaka fa hanolotra ny olon-dratsy eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ary hametraka fitokisana ihany koa amin’ny  mpitandro  filaminana.   Mbola hita taratra mantsy  hatreto fa liana amin’ny  fanatanterahana  fitsaram-bahoaka ny  ankamaroan’ny mponina raha sendra  ka mahatratra  olon-dratsy. Ao anatin’ny fikarohana  lalina mahakasika ity  raharaha ity  moa ny zandary hatramin’izao  no  sady  mbola karohina ny jiolahy roa tafatsoaka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés