Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TAO MAEVATANANA : Olona 4 namoy ny ainy, 19 naratra mafy

Olona 4 namoy ny ainy,  19 hafa naratra mafy vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Maevatanàna tamin’ny alahady alina lasa teo.  20 août 2019

Fiara mpitatitra olona avy any Mahajanga hihazo an’i Maevatanàna no fantatra fa niteraka ity loza ity. Araka ny fitantaran’ireo niharam-boina dia nivadika ambony, ambany ity fiara «  Sprinter  » ity. 13 km tsy hahatongavana ao Maevatanàna no fantatra fa nisehon’ny loza. Ny fahavakisan’ny kodiarana iray tany aoriana no niantombohany ka nampivadibadika ilay fiara, raha ny fitantaran’ireo niharam-boina.  Nandalo fiolahana ny tery fiara ka teo no nipoaka ilay kodiarana  tao aoriana. Tsy tanan’ny mpamily intsony ny familiana ka nampifatratra ity fiara ity tany anaty hantsana.

Araka ny fampitam-baovao voaray farany, valo tamin’ireo naratra no tsy maintsy nalefa avy hatrany niakatra nakany Antananarivo noho ny ratra sy ra be loatra very taminy satria tsy vita tao an-toerana intsony ny fitsaboana. Ny 7 ambiny kosa dia mbola notazonina ao amin’ny Hopitaliben’i Maevatanàna ihany ary efa nahazo fitsaboana mifanaraka amin’izany. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny hopitaliben’i Maevatanàna  dia efa nisy ny fiantsoana ireo mpamponjy voina rehetra nanampy ny ekipa tany an-toerana saingy rehefa hita fa tsy vita tao an-toerana ny fitsaboana iretsy farany dia tsy maintsy nandray fepetra nampiakatra izany haingana any Antananarivo izy ireo. 

Fantatra ihany koa fa efa nandray andraikitra nitsabo ireo marary sy niantoka ny fandaniana sasany tamin’izany ny tompon’ilay fiara ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana atao fanadihadiana any an-toerana amin’izao ny mpamily ity fiara «  Sprinter  » niharan-doza ity.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés