Webradio

ORINASA IRAY ENY AMPANGABE – RN7 : Mitaraina amin’ny loto sy aretina aterany ny mponina

Mitohy hatrany  ankehitriny ny   fahazahoana fitarainana avy amin’ny mponina eny amin’ny manodidina   momba ny orinasa iray  eny  Ampangabe Atsimondrano, manakaiky ny  toerana misy  ny Analamanga Park iny.  20 août 2019

 Mitaraina   mahakasika ny  setroka mahatonga ny loto   sy aretina maro  ireo mponina,  izay efa an-taonany maro  kanefa  tsy  mbola  misy fiovany izany fa  vao mainka aza nanimba zavatra be dia be. Tsy  andro, tsy alina fa dia miaina anaty setroka  mipololotra ny rehetra. Mitombo isa vokatr’izay ireo olona marary tratra, ankoatra izay  dia mitaraina ihany koa izy ireo fa maloto ny rano noho ny  fiparitahan’ny fakon’ny orinasa eny amin’ny manodidina, ary tato ho ato  no  tena  tsapa, hoy izy ireo, fa miha mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana,  ireo zaza madinika  sy ny zokiolona eny an-toerana no tena lasibatra. 

Vokany, manomboka misy fiantraikany amin’ny asa fivelomanay mpivarotra sy mpanao asa tanana ny zava-misy, hoy ny mpivarotra eo ambanin’ny tetezan’ny lalamby mandika ny lalam-pirenena faha7, satria mihena ny hery hiasana noho ny aretin-tratra, ny mpanjifa ihany koa misalasala ny hijanona hividy noho ny loton’ny tontolo iainana. Raha ny loharanom-baovao  voaray  teny  an-toerana hatrany aza dia  misy   mpiasa tao amin’io orinasa io niala an-daharana satria  tsy nahazaka ny hamafin’ny asa.

Eo indrindra no mampanontany  tena ny  rehetra  ny  amin’ny hoe nisy  fanadihadiana ara-dalàna ve natao mialohan’ny  fisokafan’ity  orinasa ity.   Raha tsiahivina ihany koa ny zava-nitranga dia  vao tsy ela akory  izay no  nisy  teratany vahiny  namoy ny ainy  tao raha voalaza fa maty nilatsahan’ny filan’ny Jirama teny an-toerana. Vaky saina  tanteraka manoloana ny zava-misy  ny mponina  amin’izao  fotoana izao ary maniry ny  mbola hanaovan’ny  fitondram-panjakana  fitsirihana satria dia simba tanteraka ny  tontolo iainana eny amin’ny manodidina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés