Webradio

HERINANDRON’NY FAMPINONOAN-DRENY : Tontosaina ao Miarinarivo ny fankalazana ofisialy

Sarobidy  loatra  amin’ny  fahasalaman’ny  zaza ateraka ny nonon-dreny, izany  indrindra  no antony  anomezan’ny  mpitsabo toro- hevitra sy  tosika  ireo  renim-pianakaviana  mitaiza kely  amin’ny alalan’ireo karazan-tsakafo  be vitamina, mitondra hery sy tanjaka ho an’ny fahasalamana.  21 août 2019

Toy ny fanao  isan-taona dia nanomboka ny  alatsinainy 19 aogositra hatramin’ny zoma 24 aogositra 2019  ho avy ny fankalazana ny herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny. Faritra maro  no  handray anjara amin’izany  raha toa ka  ny  kaominina Miarinarivo  Itasy  kosa no  handray  ny  fankalazana  ofisialy  anio alarobia  21 aogositra.

Ny  lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana ny hoe  : «  Ray aman-dreny mandray andraikitra, fampinonoan-dreny lavorary  ».  Marihin’ireo mpitsabo hatrany moa fa sakafo tsara ho an’ny zazakely ny nonon-dreny. Tsara kalitao izy io  satria mitondra anzima, proteina sy otrikaina maro hafa...  

Natoraly sy ara-pahasalamana kokoa rahateo, raha mitaha amin’ny solon-drononon-dreny omena amin’ irony  « biberon » irony.  Ampirisihana havitrika hatrany araka izany  ny renim-pianakaviana satria  ny zazakely minono ny nonon-dreny dia manana hery fiarovana ambony kokoa. Vokatr’izay dia voaaro amin’ireo aretina toy ny   tohina, ny olana amin’ny tsinay,   manadio ireo fery, manadio maso ny nonon-dreny.  Ankoatra ireo voalaza ireo dia   tsy azo lavina fa  manamafy ny fifandraisan’ny reny sy ny zanany ny fampinonoana  : ampy fitiavana kokoa ny zazakely ninono tamin-dreniny, noho ireo zatra nomena « biberon ».

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés