Webradio

DISTRIKAN’ANTSOHIHY : Herinandro tsy nisy solika, miverina tsikelikely ny famatsiana ireo mpanjifa

Mbola olana  goavana ao anatin’ny  Distrikan’Antsohihy  ny  famatsiana solika ao  an-toerana noho ny tsy fahampian’ny tahiry matetika.  21 août 2019

Raha  tsiahivina dia efa ho herinandro  tsy nisy solika nampiasaina intsony  ny  mponina. Nanomboka omaly raha ny  loharanom-baovao voaray  any an-toerana  no  niantomboka nitsitapitapy kely  ny  famatsiana teo an-tampon-tanànan’ny  renivohitrin’ i Sofia  ity. Voalaza  fa  ny  solika fandrehitra (Pétrole lampant) koa no tena manahirana.   Araka ny  fanazavana  voaray  dia isany antony mahatonga ny olan’ny   tsy fahampian’ny   tahiry ao  an-toerana  ireo fiara mandeha any amin’ny Faritra Sava  sy Diana  iny  satria  saika manjifa solika eo Antsohihy avokoa.

Eo anatrehan’izay indrindra dia nisy  ny  fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitry ny mpaninjara solika ao amin’ny Galana ary nanazava izy ireo fa olana avy amin’ny fitaomana  ataon’ny mpitatitra solika avy any amin’ny foibe no nahatonga ny tsy fahampian’ny solika fa tsy sanatria lany tanteraka tahiry. Mbola betsaka ny tahiry any amin’ny foibe. Nohamafisin’ ireto  farany  ihany koa  ny  namatsiana ny  orinasa Jirama noho  ny delestazy  tamin’ny herinandro lasa iny  no  antony  nahatonga  ny  solika nalaky lany.  Ho  fitsinjovana ireo  mpanjifa hatrany dia natao  ny ezaka rehetra,  ka ny  ny alatsinainy lasa teo no  tonga ireo  fiarabe mpitatitra solika miisa  telo izay  mahazaka  hatrany  amin’ny  14.000 litatra avy. 

Ezahina  hotohizana hatrany  moa  ny  famatsiana  amin’ity  herinandro  ity hialana  ny amin’ny mety   ho  tsy fisiana ao anatin’ny  fotoana maromaro indray. Voamarika tamin’izany  moa fa  mbola  ny gazoala sy lasantsy no tonga  ny alatsinainy lasa teo  raha  toa ka  efa nanafatra   solika fandrehitra ihany koa ry zareo ao amin’ny tobin-tsolika  “Galana”.  Raha ny  vidiny  indray, hoy ny tompon’andraikitra dia tsy misy  fiovany  no sady nanafatrafatra an’ireo  mpamongady solika any ambanivohitra ry zareo mba tsy hanararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka, indrindra ny amin’ny vidin’ny solika fandrehitra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés