Webradio

ASAN-DAHALO MIAMPY VONO OLONA TAO BEKILY : Miisa telo namoy ny ainy, tafaverina ny omby halatra

Lasibatry ny  asan-dahalo  hatrany ny any amin’ny  Faritra Atsimon’ny  Nosy,  na eo aza anefa izany  dia  manohy ezaka sy ady amin’izany ny eo anivon’ny mpitandro  filaminana mba hiarovana ny vahoaka  sy ny fananany. 22 août 2019

 Araka ny tatitra voaray  avy amin’ny zandarimariam-pirenena omaly, teo am-panoratana ny lahatsoratra izao dia nisehoana  trangana  halatr’omby miampy vono olona ny tao amin’ny  fokontany Belamoty,  kaominina  Tanandava,  Distrikan’i  Bekily,  Faritra  Androy, ny alin’ny 20 aogositra 2019, tokony ho tamin’ny  10 alina.  Vokatr’izay dia omby miisa 46 no lasan’ny malaso ary maty tamin’io fotoana io  ilay tompon’omby antsoina hoe Vazahamena izay   Sefo fokontany  tao  an-toerana. Mafy dia mafy ny fifandonana  tamin’ny  olon-dratsy  hany ka nitarika hatramin’ny fahafatesan’io rangahy io. 

Rehefa naharay antso ny Zandary ao amin’ny  Borigadin’i Beraketa, avy hatrany dia nanatontosa fanarahan-dia  niaraka tamin’ireo miaramila mpampandry tany marobe. Teo amin’ny  kizo atao hoe Antsary , izay ao anatin’ity Distrika ity ihany no nifandona ny Zandary sy ny malaso ka lavo ny roa tamin’ ireto farany. Lasa vaky  nandositra  kosa  ireo namany ka taorian’ny sava hao natao dia voaverina avokoa ny omby very izay efa  any amin’ny tompony taorian’ilay fifandonana mahery vaika.

Nahafapo ny vahoaka araka izany ny fomba fiasa  satria  nahay nifanome tanana tanteraka ny  fokonolona mpanara-dia, ny zandary ary koa ny kalony  isany  mpiaro  ny mponina ao an-tanàna.  Nisaotra ny  fahavitrihan’ny zandarimaria moa ireo mponina ary mbola vonona hatrany  hifanome tanana.

 Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés