Webradio

TSY FAHAMPIAN’NY SOLIKA AO SAMBAVA : Mahazo vahana ny delestazy, sahirana ny mponina

Misedra olana goavana ny mponina any amin’ny tapany Avaratry ny  Nosy iny  manoloana ny tsy fahampian’ny  solika.  22 août 2019

Misy fiantraikany  betsaka   amin’ny  fiainam-bahoaka ao  an-tampon-tanànan’i Sambava izany  raha ny angom-baovao voaray ka ny resaka fahatapahan-jiro  no tena manahirana indrindra. Matetika mantsy    dia  saika  ny delestazy hatrany no mitranga  rehefa tsy misy  ny solika izay  tokony  hampandeha ara-dalàna izany  ao amin’ity  Faritra ity.

Raha ny   fanambarana avy amin’ny  tompon’andraikitry ny Jirama, omaly izao  dia tsy maintsy  hisy aloha ny fahatapahana. Nohazavain’ny Talen’ny Jirama (Sous groupement Sambava), Rabe Antoine Hubert tamin’izany fa  "noho ny fahataran’ny gazoaly sy lasantsy izay tokony hamatsiana ny tahiry dia  tsy maintsy misy fahatapana ny jiro eto Sambava. Hiverina handeha anefa ny jiro rehefa tonga ny fiarabe  avy any Antalaha sy Vohémar hitondra ny solika eto amintsika".   Hetahetan’ny  mponina ao an-toerana moa ny hitondrana vahaolana maharitra momba ity raharaha ity.

Tatianà R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés