Webradio

FIARA VAKY KODIARANA TAO MAEVATANANA : Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy

Tafakatra dimy  ireo  namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho, 13 km tsy hidirana an’i Maevatanàna   ny alahady hariva  lasa teo iny,  raha ny tatitra voaray farany omaly .  23 août 2019

Namoy ny ainy  tao amin’ny  Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona  omaly  ny iray raha toa ka efa  maty  tsy tra-drano taorian’ny  nitrangan’ny  loza  ny roa, ny roa hafa  kosa efa maty  tao  amin’ny Hopitalin’i Maevatanàna  ny  alatsinainy  teo. Fantatra tamin’ny  angom-baovao  azo   hatrany  fa  mpandeha  naratra iray  sisa no tavela  mitsabo tena ao amin’ny hjra raha toa ka efa lasa   nody  avokoa   ireo  naratra miisa 15 hafa namany . 

Nandritra ny fitsidihana  notanterahan’ny Talem-paritry ny  Fitaterana  Betsiboka  Randrianarivony  Narson  azy ireo  dia nanambara  ity  farany fa “ efa nahatontosa ny adidiny tamin’ireo  mana-manjo  sy   ireo naratra avokoa ireo tompon’andraikitra mahefa  miaraka tamin’ny tompon’ny fiara nahavanon-doza tao an-toerana  izay  tamin’ny  alalan’ny  famangiana, fanomezana fanampiana  ary  koa  ny  fanaterana ireo razana tany  amin’ny toerana niaviany avy“ . Raha tsiahivina moa dia ny alahady lasa teo no  niharan-doza ny fiara taksiborosy  iray  mpitatitra nampitohy an’i Mahajanga sy  Maevatanàna. Vaky  kodiarana no voalaza fa nitarika ny  loza mahatsiravina tamin’ io fotoana io.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés