Webradio

MPANENDAKA TENY ANTOHOMADINIKA : Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha

Tovolahy 01, 18 taona, monina eo Antohomadinika, no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP4 Isotry nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny faritra Antohomadinika ny alarobia 22 aogositra 2019 teo. 23 août 2019

Nandalo teo Antohomadinika ireo polisy mpanao fisafoana tamin’io alarobia io tokony ho tamin’ny 09 ora sasany alina . Tamin’izay indrindra no nahatsikaritra tovolahy 01 nanaraka olona avy ao aoriana ka dia nanapa-kevitra ny hanao fizahana ny mombamomba azy. Raha nahita ny Polisy nanatona azy anefa izy dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra tsy lavitra teo. 

Nandritra ny fisavana dia tsy nahitana kara-panondro teny aminy. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa efa nifonja izy ny taona 2017 noho ny antony harom-paosy hatrany. Niaiky ihany koa izy fa efa hatramin’ny taona 2016 no nifoka rongony alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny. Natolotra ny Fampanoavana ny alakamisy 22 aogositra 2019 izy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés