Webradio

FITSIDIHANA : Nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Masoivohon’i Frantsa sy Alemana

Nifandimby nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian omaly ny Ambasadaoro Frantsay, Andriamatoa Bouchard Christophe, ny Ambasadaoro Alemana, Andriamatoa Derus Michael ary Ramatoa Baleka Mbethe, filohan’ny komitin’ny tahirin-tsoratra eo anivon’ny Kaongresy Nasionaly Afrikanina (ANC) ary filohan’ny Antenimieram-pirenenan’i Afrika Atsimo teo aloha .  23 août 2019

Nambaran’Andriamatoa Bouchard Christophe fa efa maro ireo fiaraha-miasa nisy teo amin’ny firenena roa tonta hatramin’izay, ary nohamafisiny ny fahavononan’i LaFrantsa hanamafy orina izany, ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Indrindra eo amin’ireo sehatra izay napetraky ny Fitondram-panjakana ho laharampahamehana, toy ny fampianarana, ny fahasalamana, ny angovo, ny fambolena ary ny fanarenana ny toekarena.

Ho an’Andriamatoa Derus Michael kosa dia nohazavainy fa nifantohan’ny dinika tamin’izao fihaonany voalohany tamin’ny lehiben’ny governemanta izao, ny fijerena ireo sehatra hahafahan’i Allemagne sy Madagasikara miara-miasa. Eo amin’ny sehatry ny fiarovan’ny tontolo iainana, ny fampianarana fa indrindra ny fitsinjaram-pahefana. Naneho ny fahavononany hifampizara traikefa amintsika izy, amin’ny maha Repoblika federaly azy, ny governemanta rahateo efa miroso amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, maro ihany koa ireo tetikasa efa hiarahan’ny firenena roa tonta amin’io sehatra io.

Ho fankalazana ny volana natokana ho an’ny vehivavy ao Afrika Atsimo kosa, dia nanatanteraka iraka eto Madagasikara Ramatoa Baleka Mbethe. 

Nifanakalo hevitra sy traikefa amin’ireo vondrona isan-karazany miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana Malagasy mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana izy. Nohararaotiny izao fihaonana tamin’ny Praiminisitra izao, nisaorana ny Fitondram-panjakana amin’ireo ezaka rehetra natao ho fampivoarana ny vehivavy, tahaka ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo parlematera vehivavy ary mampirisika ireo vehivavy handray andraikitry misimisy kokoa izy.

A.Lepêcheur sy Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés